Nomarihina omaly, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’olombelona raha tokony ho ny 10 desambra teo izany. Notanterahina teny Andohatapenaka ny hetsika niarahana tamin’ny Firenena mikambana (ONU) sy ireo mpisehatra rehetra, toy ny fiarahamonim-pirenena sy fikambanana samihafa. “Mbola mila ezaka lehibe ny governemanta sy ny fiarahamonim-pirenena momba ny fanajana ny zon’olombelona”, […]
Auteur/autrice : Adnews
Fianianan’ny filohan’ny Repoblika : mila miomana amin’ny fitohanana sy ny fahatapahan-dalana
Mba tsy ho tampoka amin’ny rehetra. Nampilaza mialoha ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo fa mety hisy ny fitohanan’ny fiara sy ny fahatapahan-dalana, ny sabotsy izao. Mandritra ny fianianan’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, izany. Nampilaza mialoha ny fiadidiana ny tanànan’ Antananarivo, amin’ny alalan’ny talen’ny fitaterana, ny kaomisera Ainanirina Albert Estel, fa hisy […]
INDRAY MIJERY
Tontosa ny atrikasa nitondrana fanavaozana ny drafitra hiatrehana ny hamehana mahakasika ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza ho an’ny faritra Atsimo Andrefana. Nitarika ny fivoriana ny Préfet-n’i Toliara ary nandray anjara ireo talem-paritra, lehiben’ny distrika rehetra ary ireo solotenam-panjakana. Nanotrona koa ny teknisianin’ny BNGRC. Tanteraka ny fiofanana niarahana tamin’ireo […]
Lalam-piofanana « Terre, ruralité, eau » : hiarovana sy hanarenana ny tany simba
Nahazo fotodrafitrasa vaovao ny lalam-piofanana “Terre, ruralité, eau”, ao amin’ny sampam-pianarana Sciences de la vie et de l’Environnement, Faculté des Sciences, Oniversiten’i Mahajanga. Ahitana efitrano fianarana sy birao ary efitrano fivoriana miaraka amin’ny fanaka moderina. Efa nahazo fankatoavana na “habilitation” avy amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ity […]
Noelin’ny firaisan-kina : nolokoina ny CEG Ambohipo
Hetsika sosialy maro maneho firaisan-kina no hamarika ny volana desambra miaraka amin’ny Orange solidarité Madagascar. Nanomboka ny asa ny fandokoana ny CEG Ambohipo iarahana amin’ireo mpilatsaka an-tsitrapon’ny Orange Madagascar, ny faran’ny herinandro teo. Tafiditra koa amin’ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny filatsahana an-tsitrapo ny zavatra natao teny an-toerana. Toy […]





