Tena misy ny aretina Sida ary misy ireo marary mafy vokatr’izany. Eo koa ireo mitondra ny tsimokaretina tena mamindra kanefa salama tsara ka mila mailo sy manamafy ny fitandremana ny rehetra. Nitondra fanazavana ny dokotera Mihaja R, ao amin’ny sampandraharaha mpandray an-tanana ny aretina azo avy amin’ny mikraoba sy ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Ankadinondry Sakay sy Analavory: Nahazo milina mpamokatra mena-boanjo
Hamokatra mena-boanjo 5000 litatra isam-bolana ny taninketsa indostrialy napetraka ao Ankadinondry Sakay, raha toa 2000 litatra izany nandritra ny andrana natao. Vonona hiara-hiasa amin’ny fitondram-panjakana ny ben’ ny Tanàna ao an-toerana raha nilaza kosa ny solombavambahoaka voafidy tao Fenoarivobe, Randrianarisoa Bien Aimé Arsène, nandritra ny fametrahana ny taninketsa indostrialy, ny […]
Madagasikara: mamokatra lomotra mena 2000 t isan-taona
Seha-pihariana anisan’ny mampidi-bola ny famokarana lomotra mena (ahidrano). Azo trandrahina maharitra mihoatra ny jono izy ka azon’ny rehetra atao. Mahatratra hatrany amin’ ny 2000 t isan-taona ny vokatra avy eto Madagasikara. Mitombo ao anatin’ny 15 andro ny lomotra mena ary amidy 1 100Ar ny kilao. Manodidina ny 2 500 ny […]
Credit fety 24h: hampidram-bola hatrany amin’ny 50 tapitrisa Ar ny BNI
Mitohy hatrany ny tolotra ataon’ny BNI Madagascar hanomezana fahafaham-po ny mpanjifa amin’izao ankatoky ny fety izao. Misy ny tolotra Credit fety 24H izay hahazoana fampidramam-bola hatramin’ny 50 tapitrisa Ar, hampifalifaliana ny ankohonana amin’izao fotoana izao. Nanomboka ny 6 desambra ka hatramin’ny 4 febroary izao ny fahazoana izany ary azo averina […]
Fambolena: hamokatra vary 5.600 taonina fanampiny ny lemak’i Marovoay
Hitombo hatrany amin’ny 5.600 taonina ny famokaram-bary ao Marovoay aorian’ny fahavitan’ny lemaka any an-toerana. Tafiditra ao anatin’ny tanjon’ny fahavitan-tena ny fampiroboroboa ny famokaram-bary eto Madagasikara. Andrasana hamoka-bary 5.600t fanampiny ny lakandrano lehibe ao amin’ny secteur 4,5,6 ao Marovoay. Hanondraka velaran-tany 7.235ha ny lakandrano aorian’ ny fahavitany ka tantsaha mpamboly hatrany […]





