Veloma farany an’i Delacre. Nifanotrona tamin’ny fianakaviana tany an-tranony, tonga teny amin’ny Tranompokonolona Analakely nanomezam-boninahitra azy, avy eo teny amin’ny Ekar Antanimena ary nanatitra azy teny amin’ny fonenany farany eny Soavina ireo mpanakanto namana sy mpankafy azy. Nampirotsaka ny ranomason’ny maro ny nisafidianana ny hirany tamin’ny fidirana tao am-piangonana. Mitoetra […]
Auteur/autrice : Adnews
Zon’ny mpamorona : naverina eny amin’ny “Senat” ilay tolo-dalànan’i Rossy
Mbola misy dingana maromaro. Nodinihina fanindroany, omaly, tetsy amin’ny Antenimierampirenena Tsimbazaza ny tolo-dalàna faha-002-2022, mahakasika ny “refonte de la loi N°94-036 sur la propriété littéraire et artistique”. Ny solombavambahoaka sady mpanakanto Rahasimanana Paul Bert na i Rossy no nanolotra izany, taorian’ny fiheverany fa tokony hitondrana fanovana ny lalàna mahakasika ny […]
Vaky Boky : tonga eto amintsika ny fampirantiana « Lire donne des Ailes »
Anisan’ny mitaiza sy manabe ankizy ny boky. Mahaliana kokoa anefa izany raha misy ny sary, izany indrindra no nahatonga ny tomponandraikitry ny “Lire donne des Ailes” hanatontosa ity hetsika ho fandavorariana ny fanabeazana ity. Tanterahina eny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM Analakely), manomboka anio hatramin’ny 13 janoary 2024, ny […]
Jean Nirina R. : Azo atao tsara ny mamorona asa
Nilaza ny tao am-pony tamin’ny alalan’ny « Savaravina » ireo vahoaka eny ambany tanàna, omaly. Nitarika ity « Savaravina » ity ny filoha mpanorina ny Globo Madagascar sady mpandrindra ny tetikasa fifindra-monina miala ny tanàn-dehibe, Rafanomezantsoa Jean Nirina. Nambarany fa tsy misy ny fahagagana fa tsy maintsy miainga amin’ny herim-pon’ny tsirairay avy izany. Nahatonga […]
Fanodinana harona plastika : kolontsaina aparitaka amin’ny fanabeazana
Nanatanteraka soniam-piaraha-miasa tetsy amin’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM) Analakely, ny faran’ny herinandro teo, ny fikambanana Kolokitra sy sekoly roa. Izay vonona ho modely amin’ny fikirakirana ny fako sy ny harona plastika. Izay niaraha-niasa tamin’ny masoivohon’i Allemagne sy ny CGM. “Anisan’ny kolontsaina iray ny fanaparitahana ny fanodinana fako sy harona plastika amin’ny […]





