Nipitika ivelan’ny kamiao ny olona roa tamin’ireo telo voa mafy nandritra ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny “autoroute” mampitohy an’i Tsarasaotra sy Ambohimanga, omaly tolakandro. Kamiao iray nidona tamin’ny rindrim-bato manasasaka ny arabe. “Nipitika nivoaka teo amin’ny fitaratra aloha an’ny fiara ny roa tamin’ireo tra-doza”, hoy ny fitantaran’ny nanatri-maso. Nifamonjena, nentina nihazo […]
Auteur/autrice : Adnews
Hita faty tao anaty tsena : Ramatoa voarasa antsy teo amin’ny tendany
Hita nitsirara tamin’ny tany, voarasa antsy teo amin’ny tendany ny renim-pianakaviana iray 67 taona, omaly maraina. Nisy namono tao an-tsenany, ao Mahavoky avaratra izy. Hita faty tao amin’ny fokontany Mahavoky avaratra, kaominina Mahajanga, omaly maraina, ny vehivavy mpivarotra amin’ny toeram-pisotroana iray. Ahina novonoina tao an-tsenany ihany izy, raha ny fampitam-baovao […]
Baolina kitra – PFL : Manamafy ny toerany ny Disciples Fc
Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, ny andro fahasivy sy fahafolon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, “Pureplay Football League (PFL)”. Ho an’ny kaonferansy Atsimo, mbola mitana ny lohany sy manamafy ny toerany, ny Disciples Fc Vakinankaratra. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 4 no ho 2, ny As Ste Anne, […]
XXL Smatchin Ao Tsara: Tompondaka ny IUM sy ny Umagis
Nifarana, omaly teny amin’ny Lapan’ny fanatanajahantena Mahamasina, ny fifaninanana XXL Smatchin Ao Tsara, andiany faha-12. Voahosotra ho tompondaka ny Umagis sokajy lehilahy sy ny IUM sokajy vehivavy. Lalao famaranana tena nampitaintaina ny teo amin’ny sokajy lehilahy ary tany amin’ny segondra farany vao fantatra ny tompondaka. Isa 1 monja (76 no […]
DAKA AN-JORONY: Mason-tsokina, mason’omby io
Amin’ny fiainana, samy manana ny tanjony ny olona tsirairay avy. Tsy misy maniry ny ho resy izany fa ny ho tafavoaka ka tafita no tanjona. Toy izany koa amin’ny fanatanjahantena, ny handrombaka fandresena ka hibatana ny amboara no hilofosana andro aman’alina. Na izany aza, toy ny mason-tsokina, mason’omby io. Samy […]




