Auteur/autrice : Adnews

Baolina kitra : lasa any Frantsa ny Coach Rôrô hijery mpilalao vaovao

Nanohy ny diany any Frantsa, Rakotondrabe Romuald (Rôrô), mpanazatra ny Barea de Madagascar. Hitily mpilalao vaovao afaka hanatevina ny ekipam-pirenena malagasy ny tenany, mialoha ny hiatrehana ireo lalao fifanintsanana ho an’ny “Mondial 2026”. Taorian’ny fahavitan’ireo lalao firahalahiana roa, notanterahina tany Maroc, nandritra ny datin’ny FIFA, fantatra, araka ny fampitam-baovao, fa tsy […]

AFHAM: miaro ny vehivavy manana fahasembanana

Tonga tany amin’ny faritra Fitovinany ny fikambanan’ny olona manana fahasembanana avy ao amin’ny Afham, foibe avy aty Antananarivo, izay notarihin’ny filohany, Razafinjato Ferla, nitsidika ireo olona misitraka ny tetikasa “Zaramira”. Nidina tany amin’ny kaominina Lokomby, Tataho ary Mitanty izy ireo. Nanao fakan-kevitra isam-paritra momba ny ady amin’ny herisetra mianjady amin’ireo […]

Fotoam-pahavaratra : ahina ny haintany any atsimo, tondradrano any avaratra

Hifanipaka tanteraka ny mety ho fitrangan’ny toetr’andro ho an’ny tapany atsimo sy avaratry ny Nosy amin’ity fotoam-pahavaratra ity. Ahina ny haintany any atsimo, ary mampanahy ny tondradrano any avaratra. Ny tranga El Nino no mamaritra ny toetry ny andro amin’izao vanim-potoanan’ny fahavaratra izao, raha ny nambaran’ny tale jeneralin’ny famantarana ny toetry […]

Ihosy : notokanana ny QG an’ny TGV

Tafapetraka tamin’ny fomba ofisialy ao Ihosy ny QG “Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina” izay ahitana ny Upar, IFI, CS-ANR, AFF, T2MI, RPR, FIZAFAFI, TMH, FREEDOM sy ireo vondrona antoko hafa. Tanjona amin’izany ny fampandaniana ny laharana fahatelo amin’ny fifidianana izay hatao ny 16 novambra 2023 ho avy izao. Va­hoaka […]