Notanterahina ny fiandohan’ny herinandro teo, tao Ivato ny fitsidihana ifotony mitety ireo kaominina ataon’ny lehiben’ny distrikan’Ambohidratrimo, Raharijaona Andoniaina. Kaominina faha-21 tamin’ireo 24 tsy maintsy tsidihina ny ao Ivato. Araka ny lalàna 2024-21 dia tsy maintsy manao ny fampahafantarana ny politika ankapoben’ny fanjakana ny distrika. Fampitana amin’ny vahoaka ny lalàna misy […]
Auteur/autrice : Adnews
Dr Razafimahefa Julien : « Aretina tsy mety sitranina ny Alzheimer”
Iray volan’ny Alzheimer izao. Nampahafantatra ny momba izany aretina izany ny neurologue eo anivon’ny hopitaly Befelatanana (CHUJRB), Razafimahefa Julien. Fahasimban’ny sela anatin’ny atidoha antsoina hoe «neurone» no mahatonga ny olona mihavery fitadidiana tsikelikely. «Lasa miankin-doha amin’ny manodidina azy ilay marary amin’ny andavanandrom-piainany», hoy ny neurologue, Razafimahefa Julien, ao amin’ny CHUJRB. […]
Fiatrehana fifidianana: mitohy ny asan’ny iraky ny ONU
Nandray avy hatrany ny iraky ny Firenena mikambana (ONU), notarihin’i Parfait Onanga Anyanga, tetsy Ampandrana, ireo filoham-piangonana eo anivon’ny FFKM, omaly. Tafiditra amin’ny fiomanana sy ny fikarakarana ny fifidianana izany. Naharitra ora iray mahery ny fihaonana teo amin’ny andaniny sy ny ankilany ary tsy nisy nipika ny dinika sady tsy […]
VKLM : hampandany ny kandidà Rajoelina Andry
Nanao fanambarana fanohanana ny kandidà laharana fahatelo, Andry Rajoelina, ny Vondrona laika kristianina mikatroka (VKLM), omaly, tetsy Antaninarenina. Nambaran’ny mpandrindra izany eo anivon’ny distrika Antanimena, Randriamiaramisaina Mirantsoa fa tokony hiomana amin’ny hiatrehana ny fifidianana ny rehetra. “Aoka isika handray anjara mavitrika fa adidy masina ho an’ny tanindrazana izany. Aoka tsy […]
Fikaroham-bahaolana “Ady gasy”: miantso vavaka sy tsy fifampihantsiana ny FFKM
Nambaran’ny eo anivon’ny FFKM omaly, tetsy Ampandrana fa efa miroso amin’ny fiantsoana ireo ankolafin-kery maro samihafa izy ireo izao. Na izany aza, nanao antso avo ireo filoham-piangonana manoloana izao raharaham-pirenena izao. Nambaran’ny filohan’ny FFKM, ny mpitandrina Andriamahazosoa Irako, fa mitohy ny fampihaonana ireo ankolafin-kery. “Vahaolana malagasy , hamahana ny olana […]




