Olona iray namoy ny ainy tamin’ireo lozam-pifamoivoizana 21 niseho tao anatin’ny herinandro, teto Antananarivo Renivohitra. Olona 20 naratra. Namoizana ain’olona iray ny lozam-pifamoivoizana nitranga teto amin’ny tanànan’ Antananarivo, nanomboka ny herinandro ny 10 ka hatramin’ny 16 aogositra lasa teo. Mateti-pitranga ny loza an-dalambe tato ho ato, araka ny tatitra voaray […]
Auteur/autrice : Adnews
« Rallye du Boeny » : Nanjaka tokana ny klioba Asacm
Notontosaina tany Mahajanga, ny 13 – 15 aogositra lasa teo, ny « Rallye du Boeny ». Dingana fahatelo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara. Fifaninanana nokarakarain’ny klioba Go Janga. Nanjaka tokana sady nanampatra ny heriny ny klioba Asacm, satria izy ireo avokoa no nahazo ny toerana dimy voalohany. Nandrombaka ny fandresena i […]
SOMBIM-BAOVAO
Klioba iray manana solontena amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, ho an’ny vehivavy sy lehilahy, ny Disciples FC. Ho an’ny lehilahy, tafita hiatrika ny dingana faharoa, diviziona faharoa D2 nasionaly, ny Disciples Espoir Analamanga. Eo amin’ny vehivavy indray, miakatra amin’ny dingana manaraka ny DFC Vakinankaratra. Voahosotra ho […]
Afrobasket U18 : Nitondra amboara roa nody ny Ankoay
“ Fankasitrahana!” Tsy nody tamin’ny tanam-polo ny ekipam-pirenena malagasy, Ankoay, nandritra ny “Afrobasket U18” izay notontosaina tany Côte d’Ivoire, tamin’ity volana ity, na dia nihintsana teo amin’ny ampahefa-dalana aza. Nahazo ny amboaran’ny “Fair Play”, noho ny fahaizany mifaninana tsara ny Ankoay. Teo amin’ny amboara ho an’ny mpilalao tsirairay kosa, nahazo […]
“Coupe des Champions” : Hifampitsapa indroa miantoana ny FC Rouge sy ny CFFA
Mialoha ny handehanan’ireo solontena roa ho any Afrika, hanatanteraka lalao mandroso sy miverina, eo amin’ny Kianjan’ny CFFA Iavoloha, amin’ity volana aogositra ity, ny FC Rouge, tompon’ny amboaran’i Madagasikara sy ny CFFA, tompondakan’i Madagasikara. Ho fanohanana sy hanomanana tsara ny fifaninanana afrikanina, “Ligue des Champions Caf” sy ny “Coupe de la […]




