Auteur/autrice : Adnews

« Star Tour Tanà » : nafana ririnina ny Coliseum

3 andro an-danonana. 3 andro nahitana olona nifanare­tsaka, tonga namonjy ny karazam-pialamboly natolotra azy, ny tetsy amin’ny Coliseum Antsonjombe. Nahatratra ny tanjona napetraka ny hetsika « Star Tour Tanà », tontosa ny zoma hatramin’ny alahady lasa teo. Tsy nahasakana ny mpiala voly ny hatsiaka, indrindra nandritra ny fotoan’ny fanentanana sy ny fampisehoana. […]

Fitondrana am-bavaka ny firenena : nanaka-danitra ny antsam-piderana tetsy Mahamasina

Efa mahazatra isan-taona ny « podium » etsy sy eroa, ny afomanga, ny matso ary ny fampisehoana aorian’izay. Niavaka tamin’ity taona ity kosa ny seho ara-pilazantsara lehibe, nitondrana am-bavaka ny firenena tetsy Mahamasina. «Antsam-piderana ho an’ny firenena ». Se­ho goavambe, ta­fiditra anatin’ny fankalazana ny faha-63 taona niverenan’ny fahaleovantena izy ity. Noton­tosaina ny alahady […]

Matso lehibe: tsy nandray anjara ny Tafika frantsay

Anisan’ny nandrasan’ny mpanatrika sy ny mpanara-baovao ny fahatongavan’ny Tafika frantsay avy any amin’ny FAZOI, omaly, teny Ma­ha­masina. Tsy tonga anefa izy ireo noho ny antony izay tsy nampahafantarina ny mpanatrika. Nilaza ny Jly Andria­ma­simanana William, tomponandraikitry ny filaminana eo anivon’ny komitim-pirenena mpanomana ny fankalazana ny fetim-pirenena (CTNO), fa tokony ho […]

Niova fianjaika !

  Salanitra ry ambanilanitra, indrindra isika mpamaky ny Taratra. 19 taona sy efa-bolana aty aorian’ny nivoahan’ny laharana “aotra”, miova endrika ny gazety. Miova mifanaraka amin’izay ihany koa ny fomba fiasa eo anivon’ny fanoratana. Miezaka ny mpanao gazety sy ny mpitantana, hifampizara vokatra tsara kalitao. Voakasik’izany ny lafin’ny teknika sy ny […]

Fetin’ny fahaleovantena : nampiray fo ny Malagasy !

Tia tanindrazana ny Malagasy ! Tsy nahasakana azy ireo tsy hifety ny resaben’ny mpanao politika. Nizotra tanaty filaminana ny hetsika rehetra manerana ny Nosy. Notanterahina omaly, teny amin’ny kianjan’ny Barea Mahamasina, ny fankalazana ny faha-63 taona niverenan’ny fahaleovantena sy ny nijoroan’ny foloalindahy malagasy. Nanatrika izany ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry sy ny […]