Auteur/autrice : Adnews

CUA-SMA…. Notokanana ny STBV ao amin’ny EPP Antanjombe Avaratra

Notokanana omaly, ny toerana fanodinana tay ho lasa akora azo ampiasaina (STBV, Station de Traitement des Boues de Vidange), ao amin’ny EPP Antanjombe Avaratra – Ambohimanarina, Boriboritany faha-6. Tanjona ny hahafahana mamatsy « biogaz » sy herinaratra ho afaka hampiasain’ny « cantine »-n’ ny EPP. Mamatsy zezika ahafahana mikarakara ny […]

Andron’ny firaisankina ho an’ny ankizy: nizara fanomezana 2 000 ny Orange 

Ho fanamarihana ny fetin’ny fahaleovantena, nanolotra fanomezana (nahitana arendrina, sakafo, boky…) ho an’ny ankizy 2 000 ny orinasa Orange Madagascar manerana ny Nosy miaraka amin’ny sampandraharahan’ny minisiteran’ny Mponina any an-toerana. “Ankizy 1 000 anatin’ny faritra 13 ny iantefan’ny hetsika, ankoatra ny eto Antananarivo, ho fanamarihana ny Andro ho an’ny firaisankina ho an’ny […]

Tenisy – « Davis Cup »: hihaona amin’i RD Congo i Madagasikara

Tafita hiatrika ny dingan’ny “Playoff  Davis Cup, Groupe V”, taranja tenisy, izay tanterahina any Kinshasa, ny ekipam-pirenena malagasy. Hihaona amin’i RD Congo, voalohany tao amin’ny vondrona C, i Madagasikara, lohany ao amin’ny sokajy B. Lavon’izy ireo, tamin’ny isa 3 no ho 0, ny mpilalaon’i Ouganda, omaly. Teo amin’ny lalao “Simple […]

Tantaran’ny mpanjaka: hitohy anio ny seho, ao amin’ny Kianja Masoandro

Seho indroa miditra avy hatrany ny anio. Ho famaliana ny hetahetan’ireo marobe te hahita mivantana ny seho ao amin’ny Kianja Masoandro, ao Anatirova io. Nasiana fidirana manokana izay mirary ihany koa, ho valin’ny fangatahana hatrany. Izay ny antom-pisiany. Natao hamerenana ny tantaran’ny mpanjaka, izay miaraka amin’ny tantaran’ny Rova ihany koa […]

Fotoam-pialan-tsasatra: miantso ny tanora ny «Mozean’ny saripika »

« Ry tanora zandry sy zanaka. Ho avy ny fotoanan’ny fialan-tsasatra, hakana aina sy hamerenana ny herim-batana sy ny herin-tsaina. Hanovozanana fahalalana ivelan’ny rindrin’ny sekoly. Ho anareo no ijoroan’ny « Mozean’ny saripika » eto Anjohy. Hizaranay fahalalana mikasika ny tantara ». Fanentanana sy antso notanterahin’ny tomponandraikitra eo anivon’ny « Mozean’ny saripika », ho an’ny ankizy sy […]