Auteur/autrice : Adnews

“World Cup U19”: azon’ny Ankoay atao tsara  ny mandresy ny ekipam-pirenena amerikanina

Hanomboka anio, any  Hongrie, ny fiadiana ny amboara eran-tany, taranja basikety, latsaky ny 19 taona. Vonona ny hanohitra ny Amerikanina ny Ankoain’i Madagasikara.  Hiakatra an-kianja voalohany anio, amin’ny 1 ora ny Ankoay, ekipam-pirenena malagasy, ao anatin’ny fifaninanana “World Cup U19”.  Miandry ny ekipan’ny Coach Randria Aimé sy Razazarohavana Malalatiana ry […]

Mifety am-pahamendrehana

Andro vitsy, hanamarika ny fiverenan’i Madagasikara ho mahaleo tena  ny vahoaka malagasy eto an-toerana sy any ampitan-dranomasina. Andro manan-tantara na dia sembanin’ny adilahy politika sy ny resabe momba ny maha-vazaha ireo mpitondra nifandimby teto hatrizay ka mandraka izao. Tsy atao itarina lavabe intsony ny mahakasika izany fa aleo mba samy […]

Fanahiana kolikoly: naiditra am-ponja ny tale jeneraly vonjimaika, Cnaps

Naiditra am-ponja omaly, ny tale jeneraly vonjimaika mitantana ny Canps, i Tsaboto Joslina. Anisan’ny voalaza ho anton’izany ny kolikoly nataony amin’ny fampidirana mpiasa “Recrutement“. Niakatra  tetsy amin’ny fampanoavana, eo anivon’ny Tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly (Pac), 67 ha ny alakamisy teo ny tenany. Efa ny zoma tamin’ny 2 ora […]

4×4 tra-doza tao Ambatolaona: olona iray maty, mpandeha 10 naratra

Maty tsy tra-drano ny iray, olona am-polony naratra  teny amin’ny RN2,  omaly.  Namoy ny ainy ny iray tamin’ireo mpandeha tra-doza, teny amin’ny RN2, teo amin’ny PK 57+22, fokontany Ambatolaona atsinanana, distrikan’i Manjakandriana, omaly. Tamin’ny 11 ora sy 50 minitra, nikasa hihazo an’Antananarivo ny fiara mpitatitra entana iray avy any Moramanga. […]

Cisco Kandreho: 46,57% ny taham-pahafahana CEPE

Nivoaka omaly, ny ampahany amin’ny valim-panadinana CEPE 2023, araka ny fampitam-baovaon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ao amin’ny tambajotran-t,seraserany.  Ho an’ny Cisco Besalampy nahattatra 46,65%  ny taha, raha 78,12%  ao amin’ny Cisco Ambatolampy. 78,77% ny taha ao Manandriana. Any amin’ny Cisco Andramasina, 86,75% ny taha ary ambany ny taham-pahafahana ho an’ny Cisco Kandreho […]