Auteur/autrice : Adnews

Antoko politika miisa sivy: miantso ny hiarovana ny soatoavina repoblikanina

“Miantso ireo Andrimpanjakana, fiangonana, raiamandreny ara-drazana, antoko politika sy fiarahamonim-pirenena ary ny rehetra hijoro sy hiaro ny soatoavina maha Repoblika“, hoy ireo antoko miisa sivy, omaly, ahitana ny HVM, ny MMM, ny MTS, ny MFM… izany. Anton’izany ny fanahian’izy ireo ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna, mitarika tsy fahamarinan-toeran’ny mpitondra. […]

Fotsy, mena, maitso…

Ao anatin’ny fankalazana ny tsingerin-taonan’ny fiverenan’ny Fahaleovantena izao: miravaka ny tanàna, mirefodrefotra ny tsipoapoaka… Misy apoaka hatrany ny Malagasy? Eny, na eo aza ny fahasahiranana. Fankalazana, seho na hetsika, avokoa izany rehetra izany, fanomezam-boninahitra ny firenena sy ny fiandrianampirenena… Zava-dehibe ny Fahaleovantena izaka-manana ny tena sy ny firenena mbamin’ny hareny. […]

Fotodrafitrasa hiahiana ny tontolo iainana: nitaky ny hampitomboana ny famatsiam-bola ny filoha

Nandray anjara tamin’ny dinika momba ireo fotodrafitrasa maitso aty Afrika “Alliance pour les infrastructures vertes en Afrique -AGIA”  ny filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina, tany Paris. Hentitra ny nambarany tamin’izany. Anisan’ny firenena Afrikana voalohany nankatoa ny politika nasionaly momba ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro sy nahavita nandrafitra ny “Plan National d’Adaptation” […]

Tetikasa PIAA2: hosorohina ny tondra-drano

Tontosa, omaly, tetsy amin’ny biraon’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny tetibola Antaninarenina, ny fanaovan-tsonia fifanarahana ara-bola, mitentina 8 tapitrisa Euros avy any amin’ny Vondrona eoropeanina. Hanatanterahana ny tetikasa  « Programme d’Intégré d’Assainissement d’Antananarivo » (PIAA 2). Nanao sonia izany, ny minisitry ny Toekarena sy ny tetibola sy ny Ambasadaoron’i Frantsa miasa eto Madagasikara […]

Banky iraisam-pirenena: mila jerena ny fampiasana ny angovo azo havaozina

Mamarana ny fotoam-piasany eto Madagasikara i Marie Chantal Uwanyiligira, solontena maharitry ny Banky iraisam-pirenena. Nisy, araka izany, ny fihaonana sy lanonana fanaovam-beloma ireo mpiara-miasa aminy teny amin’ny biraon’ny Banky iraisam-pirenena, eny Anosy, omaly. Fotoana izay nanaovany tombana ny asa vitany nandritra ny efa-taona niasany teto Madagasikara. Lohahevitra maro no noresahiny […]