Revy Mahaleo, manodidina afon-dasy… Misy sary avy hatrany ao an-tsain’ny mpankafy, indrindra ireo efa nahazoazo taona ka naharaka ny tarika tany amin’ny taona 1982, izany hoe, teo amin’ny faha-10 taonany. Nisy ny horonantsary nirakitra izany, ary fotoana mamy na ho an’ny tarika na ho an’ny mpankafy io, hatramin’izao. Nitsiry ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Faribolana Sandratra: raikitra ny « Vahim-bazo »
Hiavaka noho ny mahazatra hatramin’izay ity antsam-paribolana ity. Hotanterahina, rahampitso 24 jona, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM) Analakely ny « Vahim-bazo ». Hetsika iray hitambarana fankalazana telo sosona : « Iray volana hanandratana ny teny malagasy » sy ny « Iray volan’ny ankizy » ary ny « Fiverenan’ny Fahaleovantenam-pirenena ». Tsy hiala lavitra ireo […]
Seho miavaka: hiray sehatra i Rija Ramanantoanina sy i Lalie
Hanolotra seho miavaka ho an’ny mpankafy Rija Ramanantoanina sy Lalie, eny amin’ny Le Pavé Antaninarenina, ny zoma 30 jona 2023, ny Grace Event. Hovelomin’i Rija Ramanatoanina sy i Lalie indray ny kanto taloha sy ny nahafantarana azy ireo fahiny. “Seho goavana no hampanantenainay ary mozika miavaka sy manana ny maha […]
Matoa misy ny resabe: tsy mahalala ny momba azy ny Malagasy
Malilo ny sofina. Samy misintona any amin’izay heveriny fa marina. Samy miseho ho tompon’io fahamarinana io ka tsy manaiky ho lesoka manoloana ny hafa. Ankoatra ireo, mibahan-toerana ihany koa ny asan’ny karazan-kery samihafa. Ao ny manome baiko, mampirisika, mandrahona sy mampatahotra… Satria, tsy an’ny Malagasy ny momba azy fa eo […]
Tenisy – « Davis Cup 2023 »: lavon’ i Madagasikara i Lesotho
Tsara fanombohana ny ekipam-pirenena malagasy, taranja tenisy, nandritra ny fifaninanana eran-tany “Davis Cup 2023”, “Groupe V”, izay tanterahina any Kinshasa RD Congo. Lavon’izy ireo, tamin’ny isa 3 no ho 0, ny mpilalaon’i Lesotho, ny alarobia lasa teo. Teo amin’ny lalao “Simple 2”, resin-dRakotomalala Romeo, tamin’ny seta, 2 no ho 1 […]




