Auteur/autrice : Adnews

Fananana zom-pirenena vahiny: ny HCC no tompon’ny teny farany

“Ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ihany no tompon’ny teny farany amin’izao fotoana izao”, hoy ny filohan’ny HCC, Rakotoarisoa Florent, raha nanontanian’ny mpanao gazety teny Alarobia, omaly, ny amin’ny fahazoan’ny filohan’ny Repoblika mirotsa-kofidina na tsia, noho ny fizakany zom-pirenena vahiny. Na izany aza, nambarany fa tsy manao fakan-kevitra amin’ny […]

Banga ny tontolo politika: nodimandry ny depiote Jao Jean

Nodimandry omaly, tatsy amin’ny Nosy Maorisy, teo amin’ny faha-67 taonany ny depiote Rémi dit Jao Jean. Efa nolazoin’ny aretina an-taonany maro ny tenany ary izao nalefa notsaboina tany ivelany izao.  Anisan’ireo “Sojabe” amin’ireo depiote i Jaon Jean, depiote vaofidy tao Antsohihy, faritra Sofia, satria efa fe-potoam-piasana fahadimy izao, tao anatin’ny […]

Miandry lava izao !

Mamita iraka any ivelany ny filohan’ny Repoblika, ankehitriny. Midika izany fa tsy manohintohina ny toerana sy ny andraikitra sahaniny ny resabe miseholany etsy sy eroa. Mazava be, tsy hisy rahateo ny hahakitikitika azy hatramin’izao, satria mbola ao an-damosiny ny Foloalindahy sy ny mpitandro filaminana rehetra. Mampiseho firaisan-kina sy firaisan-tsaina rahateo […]

Fivoriambe ho an’ny famatsiam-bola any Paris: nitanisa ny ezaka vita ny filoha Rajoelina Andry

Nanomboka omaly, any Paris, ny fihaonana an-tampony momba ny Fifanarahana ho an’ny famatsiam-bola vaovao  “Sommet pour un nouveau pacte fiancier mondial”. Anisan’ny mikarakara izany ny eo anivon’ny Fida. Mitarika ny delegasiona any an-toerana ny filoha Rajoelina Andry ka nambarany tamin’ny lahateniny fa mitana andraikitra lehibe amin’ny vahaolana maharitra hiatrehana ny […]