Nankalazaina ny taona 2022 ny faha-50 taonan’ny fifandraisana ara-diplomatika teo amin’i Madagasikara sy i Rosia. Samy resy lahatra ny hanohizana ny fiaraha-miasa ny firenena roa tonta ary mitondra vokatsoa ho an’ny sehatra maro izany. Omena lanja bebe kokoa ao anatin’ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta ny lafiny fiarenana ara-toekarena, taorian’ny zava-nisy […]
Auteur/autrice : Adnews
Antanimora : nohamarinina ny isan’ireo voafonja
“Hampiadiana ny isa: mitovy ve ny isa aty amin’ny fonja sy ny any amin’ny fitsarana? Izay no hiaingana hahazoana manatanteraka ny politika momba ny fitanana am-ponja, fa tsy manao asa anjambany fotsiny fa miainga amina isa marina”, hoy ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, tamin’ny fitsidihana indray ny fonjan’Antanimora, […]
Fiatrehana ny fifidianana : miantso ny tsy hifampihantsiana ny HCC
Nandray ny iraka manokana avy amin’ny Frankofonia (OIF), tonga eto amintsika ny eo anivon’ny HCC, omaly, tetsy Ambohidahy. Voaresaka ny hiatrehana ny fifidianana amin’ity taona ity. Nambaran’ny filohan’ny HCC, Rakotoarisoa Florent sady nanafatrafarany fa aleo atrehina ny fifidianana. “Aoka atsahatra ny fifampihantsiana sy ny fanompana na koa fanivaivana atao any […]
Fanatsarana ny tontolon’ny asa : niaiky ny paikadin’ny filoha Rajoelina ny OIT
Nanokatra ny lahatenin’ny filoha Rajoelina tamin’ny fihaonana an-tampony any Genève ny tale jeneralin’ny OIT, Gilbert F. Houngbo, omaly. Niaiky ny tenany raha nilaza nanoloana ireo mpivory fa fakan-tahaka ho an’ny rehetra ny politikan’ny asa eto amintsika. “Anisan’ny lohalaharana eo amin’ny fampiroboroboana ny asa mendrika tao anatin’ny taona maro ianao andriamatoa […]
Fahaleovantena hoe !
Andro vitsy mialoha ny hankalazana ny fetin’ny Fahaleovantena sy ny politikan’i Madagasikara, andao mba hiresaka momba ny fahaleovantenan’ny tsirairay. Miainga amin’ny fiainan’ny isam-batan’olona sy ny tokantrano ary ny fiarahamonina no maha firenena ny firenena. Inona anefa no teboka tokony horesahina ? Valiny : tsy misy afa-tsy ny tsy fiankinan-doha momba ny toekarena […]




