Auteur/autrice : Adnews

Saika handroba ny masoivoho sinoa : Dimy lahy voasambotry ny polisy

Voasambotry ny ekipan’ny polisim-pirenena avy eo anivon’ny CSP8 Analamahitsy teny amin’ny faritra Ivandry, boriborintany fahadimy, ny sabotsy 14 marsa teo, ny dimy lahy. Anisan’ireo nikasa hiditra antsokosoko tao amin’ny ma­soivohon’i Chine, eny Nani­sana, izy ireo. Nisy andian’ olona nikasa hiditra tao amin’ io toerana io, ny alin’ny zoma 13 marsa […]

Moto nidona tamin’ny sisin-dalana: Miaramila iray namoy ny ainy tetsy Soanierana

Miaramila iray matin’ny lo¬zam-pifamoivoizana tamin’ny fitondrana moto, tetsy Soanierana, omaly maraina, tokony ho tamin’ny 3 ora tany ho any. Naratra mafy ary efa manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha kosa ny vehivavy iray niaraka taminy. Lehilahy iray efa tsy nisy aina intsony sy nitsirara tamin’ny tany no hitan’ny olona […]

Bemasoandro Itaosy: Roa lahy niara-maty navadiky ny lakana

Nitaingin-dakana haka trondro, namoy ny ainy rehefa natelin’ny ranon’Ikopa ny lehilahy miisa roa tao amin’ny kaominina Bemasoandro Itaosy, ny alin’ny alahady 15 marsa teo. Navadiky ny lakana fampiasany andavanandro hitadiavam-bola, namoy ny ainy ireo roa lahy mpiara-miasa teny Andranovaky-Am­pasika, fokontany Anosi­ma­sina, kaominina Bema­soandro Itaosy, distrikan’Atsi­mon­drano, ny alin’ny alahady 15 marsa […]