Auteur/autrice : Adnews

Haitao arakajy mirindra : fitaratra aty Afrika i Madagasikara

Sehatra miroborobo ny haitao arakajy mirindra eto Madagasikara. Fitaratara aty Afrika isika saingy vidian-dafo izany no mbola tsy voafehy tanteraka ny fampia­sana azy. Ny 19 sy 20 mey 2023, handray ny fivoriana iraisam-pirenena momba ny fifindrana amin’ny fampiasana haitao ara-kajy mirindra (transformation di­gitale) i Madagasikara, eo ambany fitarihan’ny Filoha Rajoelina […]

Nisandoka ho manamboninahitra…: lehilahy iray nilaza ho chef de brigade-n’ ny andiany faha-38

Noraisim-potsiny ! Tonga teny Antanety II ny kaomandin’ny vondron-tobim-pileovana Analamanga noho ny fitokonan’ny mpianatry ny ESPA Vontovorona, afakomaly tolakandro. Nisy lehilahy iray na­nakana ny fiara nitondra azy tamin’io fotoana io. Nilaza izy fa hoe manamboninahitra ni­voaka tao amin’ny andiany mivantana faha-38 tao amin’ny Akademia Mia­ramila (Ac­mil), Antsirabe, izy. Fantatry ny kaomandin’ny […]

Vono olona : ady lova no namonoana ilay talen-tsekoly sy ny zanany

Hatao vela-pandrika ireo olona voarohirohy nahafaty ny renim-pianakaviana iray, talen’ny EPP Antanimena, sy ny zanany vavikely ao Manakambahiny andrefana, distrikan’Ambatondrazaka, andro vitsy lasa izay. “Efa fantatra daholo ireo olona ahiana ho nahavanon-doza, ho porofoina izany ka hanaovana velam-pandrika izy ireo”, hoy ireo zandary mpanao famotorana. Voafaritra manaraka izay koa ny […]

Antanambao-Antsirabe II : lehibena fokontany rotiky ny bala

Nangalatra ombin’ny lehibena fokontany iray tao Am­batomanga, kaominina Anta­nambao Antsirabe II, maty voatifitry ny dahalo iray, ny 7 marsa teo. Nan­galarin’ity dahalo ity ny omby tamin’ny 10 ora alina. Nirifatra nandositra izy. Nika­roka, taorian’io, ny fokonolona niaraka tamin’ny mpitandro filaminana. Naharay loharanom-baovao ny zandary ka nanantona ny toerana voatondro ho […]