Nitondra fanazavana manoloana ireo fanesorana tomponandraikitra sy mpitantana sasany eto amin’ny firenena tato ho ato ny filoha Rajoelina Andry, omaly, teny Anosizato. Mazava ny nambarany tamin’ izany. Tsy niolaka fa nahitsy ny lahateniny, manoloana ny raharaham-pirenena sy ny fitantanana. “Hohafainganintsika ny “vitesse”-ny TGV. Solointsika ireo matoritory sy “midorodoro” na tsy […]
Auteur/autrice : Adnews
Fitandroana filaminana : nanao fanazaran-tena niaraka tamin’ny GSIS ny Amerikanina
Nanatanteraka fanazaran-tena iombonana sy fifampizarana traikefa teny amin’ny masoivoho amerikanina, afakomaly, ny ekipan’ny sampandraharaha misahana ny filaminana eo anivon’ny masoivoho (RSO) sy ny vondron-kery manokana (GSIS) eo anivon’ny zandarimariam-pirenena. Ity fanamafisana fahaiza-manao ity, nahitana sarinady sy fomba firotsahana an-tsehatra raha misy hamehana. Samy nandray anjara tamin’izany avokoa ireo ekipan’ny RSO, […]
“Brigade anti-Piratage”: Kapila hosoka maherin’ny 28 000 nodorana
Mitohy ny ady amin’ny famongorana ny kapila hosoka. Nodorana omaly avokoa ireo vokatra piraty azon’ny sampandraharaha misahana amin’io ady io. Maherin’ny 28 000 ny isan’ireo kapila hosoka, azon’ny teo anivon’ny sampandraharaha misahana ny ady amin’ny fanaovana hosoka, nandritra ny taona 2022. Vokatra hosoka avy eto Antananarivo avokoa ny 80% tamin’ireo […]
Fandaharanasan’ny minisiteran’ny Fiarovana : ho hentitra sy hamafisina ny fitsipi-pifehezan’ny Tafika
Nanolotra ny fandaharanasa sy ny fomba fiasa ho an’ ny taona 2023 tamin’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Foloalindahy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa, omaly, tetsy Soanierana. Anisan’ny toromarika nomeny ao anatin’izany ny amin’ny fanatanterahana ny asa sy vina ary paikady napetraky ny minisitera, iandraiketany. Nambarany fa hohamafisina […]
Lapan’ny fitsarana « facebook »
Tena mahavariana isika Malagasy ireto ! mampiteny ny moana ny zava-misy eny amin’ny tambajotran-tserasera. Zary misolo vaika ny fitsarana sy ny mpitsara ny mpampiasa azy. Raha ny zava-nisy omaly, tena mahatonga saina. Hatreny amin’ny tontolon’ny fampianarana ambony no voafandrika. Zary nifanilika andraikitra imasom-bahoaka ny samy tomponandraikitra. Niezaka nanadio tena sy nitady ny […]




