Auteur/autrice : Adnews

Minisitra Andre Haja Resampa: hanohy sy hanatanteraka ny asa efa natomboka

Nanome toky ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena vaovao, i Andre Haja Resampa, fa hanohy izay ezaka rehetra nataon’ny minisitra teo aloha, i Tinoka Roberto sy ny ekipany. Nivoitra izany nandritra ny fifamindram-pahefana, omaly, teny Ambohijatovo. Andraikitra goavana miandry ny lalaon’ny Nosy, hatao afaka 6 volana. “Tsy mora izany […]

Oniversite rehetra : voarara ny “Bizutage”

Namoaka fanambarana ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika fa voarara manomboka izao ny fanaovana “bi­zutage”. Toy izany koa ny hetsika rehetra fanaon’ny mpianatra tranainy handraisana ireo mpianatra vaovao manerana ny oniversite sy IST rehetra miankina amin’ny fanjakana. Toraka izany ny karazana fifaninanana rehetra ara-kolotoraly na ara-panatanjahantena mety hiteraka […]

Sekoly mampiantrano: mila manaja ny fotodrafitrasa ireo traboina

Marobe ireo sekoly mampiantrano ireo olona traboina rehefa fotoanan’ny rivodoza toy izao. Nanentana ny minisiteran’ny Fanaberazam-pirenena fa tokony hanaja ny fotodrafitrasa ireo olona traboina raisina amin’ireny sekoly ireny mba tsy hisian’ny fahasimbana. Mila hajaina sy arovana ny fitaovana toy ny boky sy ny dabilio satria mbola hianaran’ny mpianatra izy ireny […]

Hatambatra ny fotodrafitrasa : hiara-hiasa ny INTH sy LTA

Tafiditra anatin’ny tetikasa “Jeunesse malagasy compétente au travail” (JMCT) ny fiaraha-miasa ho an’ny sekoly teknika iompanan’ny fanohanana. Nanomboka omaly, “hi­fanampy ny sekoly ambony INTH sy ny Lycée teknika Ampefiloha (LTA) amin’ny fampiasana ny fotodrafitrasa sy ny fitaovana ananan’ny roa tonta : laboratoara, efitrano fianarana”, hoy ny tale mpan­drindra ny JMCT […]

Rivodoza Freddy: nihena ny heriny fa mbola 155 km isan’ora ny rivotra entiny

Omaly tamin’ny 3 ora teo, tany amin’ny 140 km atsinanana somary avaratra atsinanan’i Mananjary no nisy ny foiben’i Freddy. Nisy fihenana hatrany ny heriny fa mbola rivodoza mahery izy. Taorian’ny fidirany an-tanety, hamakivaky ny afovoan-tany izy halina ary tombanana hi­voaka any amin’ny Lakan­dranon’i Mozambika ao amin’ ny faritra Atsimo Andrefana, […]