Efa andrasan’ny olona maro fatratra! Raikitra fa hotanterahina, ao amin’ny CCEsca Antanimena ny 4 marsa izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro ilay seho an-tsehatra ho fahatsiarovana an’i Gabhy. “Ireny hirantsika ireny…”, hiarahana amin’ny tarika Gabhy sy ireo tanora tia ireo hira nokaloiny, ireo sakaizan’ny tarika Kintana Telo, Ny Rabarivola ary […]
Auteur/autrice : Adnews
Egm Madagascar: mifarana ny atrikasa momba ny tsapiky
Tontosaina anio, eny amin’ny G&V inn, Andrefan’ Ambohijanahary, ny hetsika “Gitara Malagasy”. Fampisehoana hanehoan’ny mpianatra niatrika ny atrikasa nandritra ny roa andro. Hetsika vaovaon’ny EGM-Conservatoire de musique, nanomboka tamin’ity taona ity izy ity. Tanjona ny fampitomboana hatrany ny fahaizana sy fahafehezan’ny Malagasy ny gitara. Tamin’ity volana ity, ny tsapiky sy […]
Festival Zaza mifety 2023 : hanome sehatra ny tanora ny IFM
Hiavaka ny hetsika hotanterahina etsy amin’ny Institut Français de Madafascar (IFM) manomboka ny 25 febroary izao. «Festival Zaza mifety 2023», hanomezana sehatra sy hikoloana ary hampivelatra ny talentan’ny ankizy sy ny tanora. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny teatra, sarimihetsika, angano, fanova-maso, mozika… Sabotsy 25 febroary ka hatramin’ny 4 marsa, hisy hatrany […]
Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny: apetraka ho laharam-pahamehana ny fikoloana ny teny malagasy
“Tenindreny ibeazana, fanoitra ho an’ny fampandrosoana”. Io no lohahevitra niompanan’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny, omaly. Hetsika marolafy no nanamarihana ny omaly 21 febroary, izay natokan’ny Unesco ho andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny isan-taona. Nisy ny lahateny manokana nataon’ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina, Andriatongarivo Lalatiana omaly, […]
Minisitry ny Atitany : “Efa alefa mialoha ny fanampiana”
“Alefa mialoha ireo fanampiana eritreretina omena an’ireo izay mety ho traboina vokatry ny fandalovan’io rivodoza io. Efa manao an’izany ny BNGRC amin’izao fotoana izao”, hoy ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, i Tokely Justin, teny Antanimora, afakomaly. Mametraka ny tahiry amin’ireo toerana efa fantatra mialoha fa handalovan’ny rivodoza ry […]




