Auteur/autrice : Adnews

Varotra rongony : lehilahy roa voasambotry ny polisy

Voasambotry ny polisy ireo tovolahy miisa roa afakomaly. Tratra nivarotra rongony teny Manakambahiny sy Ambodivona izy ireo tamin’izany. Naharay fitarainana mikasika io tranga io ny eo anivon’ny sampana miady amin’ny fidorohana zava-mahadomelina (Stup) eny Anosy ka nahatonga ny fidinana ifotony nataon’ny polisim-pirenena. Vokany, voasambotra nandritra izany ny roa lahy anisan’ny […]

Miandahy miambavy ireo mpamaky trano: amidin’ireo jiolahy 60 000Ar ny ordinatera halatra

Ravan’ny polisy ao amin’ny kaomisarian’i Vatomandry ireo tambajotran-jiolahy (ahitana vehivavy) mpamaky trano. Niainga avy amin’ny fahatrarana jiolahy telo mpamaky trano ny 10 febroary 2023 teo no nahafahana nisambotra ireo namany. Araka ny fanazavan’ny polisy, maromaro ireo olona niharan’ny vaky trano ka nametraka fitoriana tao amin’ny kaomisarian’ny polisy ao Vatomandry. Natao […]

Fikarohana sy ny haivao : tokony hitondra vokatra

Notanterahina tamin’ ity herinandro ity teny amin’ny tranombokin’ny oniversiten’ An­ta­nanarivo ny atrikasa fakan-kevitra mahakasika ny politikam-pirenena momba ny fikarohana sy ny haivao (PNRI). Tanjona ny hitarihana ireo mpandray anjara fototra amin’ny fikarohana siantifika. Fikarohana atao hifanaraka amin’ny filan’ny vondrom-piaraha-monina, ahazoana vokatra azo tsapain-tanana ao anatin’ny fito taona (2023-2030). Hiantoka ny […]

Fampiarahana ny fianarana sy ny asa: hovolavolaina ny tolo-dalàna hifehy izany

Hamolavola tolo-dalàna hifehy ny fampiarahana ny fianarana sy ny asa (alternance formation emploi) eny anivon’ny sekoly teknika sy ny sekoly ambony ny tetikasa “Jeunesse malagasy compétence travail” (JMCT). Ahafahana miroso amin’izany, nisy ny atrikasa niarahan’ny minisitera efatra, omaly, teny Antaninarenina ho fametrahana izany. Nahitana ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny […]

MAFAMI : havaozy ny lisitry ny mpianatra mangataka trano

Nanao fanambarana fanairana ireo fikambanan’ny mpianatra mivondrona ao amin’ny Mafami (Mpianatra Ambaratonga ambony avy amin’ny Faritanin’Antana­narivo Miray) eny Ankatso II, omaly. Mpianatra avy amin’ny faritr’i Bongolava, Itasy, Vakinankaratra ary eto Ana­lamanga izy ireo. Nitaky ny hanavaozana ny lisitry ny mpianatra manao fangatahana hahazo ny trano fonenana vaovao eny amin’ny cité […]