Auteur/autrice : Adnews

Volley-CCCZone 7… Tanjon’ny Bi’As ny ho « Top 4 »

Fandraisana anjara voalohany ho an’ny Bi’As, ivelan’i Madagasikara, ity fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka, hatao any Maorisy ity, eo amin’ny taranja volley. Neken’ny CAVB mantsy ny fandraisan’izy ireo anjara, izay isaorany ny filoha lefitry ny Federasiona, Ranaivoson Mamy, niady mafy teo anatrehan’ny CAVB. Fifaninanana hotontosaina ny 25 febroary izao hatramin’ny […]

EFiba andiany 1…Tompondaka lefitra i Madagasikara

Nioty vokatra tsara amin’ny ankapobeny ny solontena malagasy niatrika ny fifaninanana NBA 2k23 eFiba andiany voalohany, taranja basikety. Fifaninanana “jeu video” nandraisan’ny firenena afrikanina 30 anjara, izay notsinjaraina ho 6 isam-bondrona izy ity. Tompondaka lefitra i Madagasikara rehefa lavon’i Maraoka teo amin’ny lalao famaranana. Tsara io vokatra io ho an’ny […]

Tenisy – « Open d’Australie »… Tafakatra amin’ny lalao manasa-dalana i Djokovic

Mitohy hatrany ny fahombiazan’i Djokovic, mpilalao tenisy Serba. Tafita hiatrika ny lalao manasa-dalanan’ny fifaninanana “Open d’Ausralie Grand Chelem” ny tenany. Lavony tamin’ny seta 3 no ho 0 (6/1, 6/2, 6/4) i Andrey Rublev, mpilalao rosianina, omaly. Lalao izay natao tao amin’ny kianjan’i Rod Laver Arena. Naharitra adiny roa mahery teo […]

Atrikasa momba ny gitara… Nisy ny fifampizarana teo amin’i Arnito sy ny mpandray anjara

Tontosa ny alarobia 25 janoary 2023, tao amin’ny Direction Régionale de la Communication et de la Culture na DRCC Amoron’i Mania, ny atrikasa momba ny gitara, niarahana tamin’i Arnito, mpitendry gitara matihanina, avy any Frantsa. Niavaka kely ny tao Ambositra raha oharina amin’ny natao teto Antananarivo sy tao Antsirabe. Nisy […]