Auteur/autrice : Adnews

Fanatsarana ny fanabeazana: Nomena solosaina ny Akany Onjasoa Toamasina

Nisitraka solosaina miisa 10 avy amin’ny mpanao soa ny Akany Onjasoa Toama­sina, ny zoma 20 febroary. Nano­lotra izany, ny Euro.CRM, orinasa misehatra amin’ny tontolon’ny fiantsoana iray eto amin’ ny Nosy. Nosafidiana manokana ny hanampy ireo sekoly ravan’ny rivodoza Gezani lasa teo. Anisan’izany, ny Akany Onjasoa Toamasina. “Zava-dehibe eto Madagasikara ny […]

Filazantsaran’i Matio : Vita dika amin’ny teny tanana malagasy

Navoakan’ny fikambanana Vavolombelon’i Jehovah, teny Ivato, Soamanandray ny sabotsy 14 febroary lasa teo ny fandikana ofisialy voalohany ny Filazantsaran’i Matio amin’ny tenin’ ny tanana malagasy. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa fandikana ny Baiboly manontolo amin’ny tenin’ny tanana malagasy io asa io, tetikasa izay natomboka ny volana jona 2025. Nahatratra enim-bolana teo […]

Hetsika “feminista” : Hisy oniversite manome lanja ny vehivavy sy ny siansa

Mbola miatrika tsy fitoviana sy herisetra samihafa ny vehivavy sy ny tovovavy eto Madagasikara. Manome vahana izany ny krizy politika, toekarena ary sosialy. Mikendry ny hanama­fisana ny lanjan’ny 8 marsa ny fikambanana Nifin’Akanga, Women Break the Silence sy ny Autisme Madagascar. Manomana he­tsika iombonana eto Antana­narivo ny 11 sy 12 […]

Fanadiovana an’i Toamasina : Lasa hetsika iraisam-pirenena, mihazakazaka ny mpiara-miombon’antoka

Taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani, tsapa fa tsy irery i Toamasina. Na ny eto an-toerana na ny sehatra iraisam-pirenena dia hita fa miombom-po sy miray hina amin’ny fanampiana ity renivohitra ara-toekaren’i Mada­ga­sikara ity. Raha iverenena, teto an-toerana ny filohan’ny Fana­vaozana ny Repoblikan’i Ma­da­gasikara, ny kolonely Ran­drianirina Michaël, nialoha ny rivodoza Gezani, […]

Fitrandrahana hazo : Miverina ny fanomezanan-dalana

Naato nanomboka ny taona 2019 ny fanomezana fahazoan-dalana mitrandraka hazo teto Madagasikara. Na­nomboka ny 15 febroary, miverina ny fanomezan-dalana. Nanazava ny momba izay ny Talen’ny Faritra arovana sy ny rohivoahary, Ramatoa Ratefason Tojosoa. “Nahatsapa ny fanjakana fa nitohy ny fitrandrahana tsy ara-dalana. Tsy nampidi-bola ho an’ny fanjakana izany. Noho izany, […]