Auteur/autrice : Adnews

Tia tena

  Mahatsikaritra ireo toetoetran’ny mpanao politika sasany manoloana ny ady seza dia tsy sahy manakombom-bava. Aleo miteny sy mamaky bantsilana ny zava-mitranga marina. Tafahoatra ny tsy fitiavan-tanindrazana ny an’ny sasany fa maika haka seza sy hanao tantely afa-drakotra fotsiny ilay fananam-pirenena sy ny volam-bahoaka. Manjaka ny fitiavan-tena ka mitady hanaotao […]

HCC : Nankatoavina ny famokarana sy fivarotana toaka gasy

Nahabe resaka sy adihevitra talohaloha teo… Amin’izao, nankatoavin’ny HCC ny lalàna momba ny famokarana sy famarotana toaka gasy. 44 % ny tahan’ny alikaola farafahabetsany… Mifanaraka amin’ny la­làm­panorenana ny lalàna lah. 2025-020 momba ny famokarana sy ny famarotana toaka gasy ato anatin’ny tanin’ny Repoblika Malagasy. Io ny fanapahana lah.01-HCC/D3, And. 2, […]

Fanakorontanana filaminam-bahoaka: Tanora 15 voasambotry ny polisin’ny UIR

Tanora miisa 15 voasambotry ny polisim-pirenena avy ao amin’ny Unité d’intervention rapide (UIR), tao Tanamakoa, ny talata 27 janoary 2026 lasa teo. Anisan’ireo andian-jatovo mpanakorontana ny filaminam-bahoaka ao Toamasina izy ireo. Eo ny fanaovana ady eny an-dalambe, fangalarana amin’ny endriny maro samihafa ary ny fitabatabana amin’ny alina. Efa maro ny […]

INDRAY MIJERY

Nanomboka ny volana novambra hatramin’ny talata lasa teo, vokatry ny rotsakorana be loatra, nahatratra 19 ny olona maty, 20 naratra, 6 385 ny traboina (tokantrano 1 653). Olona 3 090 nafindra toerana, 1 319 ny trano dibo-drano, 37 simba, 153 rava, araka ny tatitry ny BNGRC, omaly. 10 ny faritra […]