Auteur/autrice : Adnews

Echecs – «Mondiaux 2026» : Mianto-tena ny ekipa malagasy

Anisan’ireo firenena hiatrika ny fiadiana ny ho tompodaka maneran-tany «Mondiaux 2026 » taranja «Echecs», i Mada­gasikara. Fihaonana hotanterahina any Roquetas de Mar, Espagne, manomboka anio ka hatramin’ny 21 oktobra ho avy izao. Ho an’ny sokajy zandriny U7 ka hatramin’ny U17, zazalahy sy zazavavy, ity fifaninanana ity. Mpilalao 8 mianadahy no hiaro […]

Fifanintsanana lalao Olympika 2028 : Mila mandresy ny Barea Ladies raha te ho tafita

Ho mafy ny ady ho an’ny ekipa nasionaly malagasy, anio, atsy Afrika Atsimo. Tsy maintsy mandresy ity farany, amin’ny elanelan’isa dimy izy ireo raha tiany ny hiakatra eo amin’ny dingana fahatelo amin’ity ady tapakila amin’ny lalao Olympika JO 2028 ity. “Hiady mafy “! Hotan­terahina anio, ao amin’ny Kianjan’ny Free State Stadium, […]

TSELATRA

Tovovavy iray tratra nangalatra finday marika Spark 50 tao amina toeram-pivarotana finday etsy Analakely, omaly. Nilaza fa nentin’ny fanahy izy, nahatonga azy nampiditra ilay finday tao anaty harona plastika teny an-tanany. Nanambara ny mpivarotra fa norebireben’ity tovovavy ity izy ary nanontaniany ny mahakasika ireo kojakoja rehetra miaraka aminy. Efa nataony […]

Mpanao fanafihana mitam-piadiana: Jiolahy roa voasambotry ny polisy

Voasambotry ny polisy, tany Toamasina, ireo jiolahy miisa roa, mpanao fanafihana mitam-piadiana, raha ny fanambarana nataon’ny jeneraly Rakotoarijaona Faly, Talem-paritry ny polisim-pirenena Atsinanana, omaly. Voarakitra tao anaty horonan­tsary tamin’ny “caméra de surveillance” teo amin’ny toerana nanaovany ny fanafihana izy ireo, raha ny fanazavana. Jiolahy miisa telo, tsy nisaron-tava, no nanafika […]