Auteur/autrice : Adnews

VAOVAO TAMBATRA

Milanja 5 taonina sy 155 kilao ny fako plastika voaangon’ireo fikambanana miisa 91 nandritra ny hetsika « World Cleanup Day (WCP) » tao Ambohidratrimo, ny sabotsy teo. Nisy ny fifaninanana nanangonana fako izay nampirisika ireo mpandray anjara hifanome tanana, nifanentana ary nifaninana tamin’ny asa mivaingana ho an’ny fahadiovan’ny tanàna. Porofo izao fa […]

TJE 2026 : Orinasa telo nahazo famatsiam-bola

Nisongadina tamin’ny andiany faha-17 amin’ny «Trophées du Jeune Entre­preneur» (TJE) 2026, nokarakarain’ny BNI Madagascar, ny 9 oktobra lasa teo, ireo orinasa miisa telo tantanina tanora. Samy nahazo fampindramam-bola tsy misy zanabola mandritra ny taona voalohany ireo mpandresy. Nisongadina ta­min’izany ny Moli Company, Aqua Valley ary BoGasy Aca­demy. Nisitraka famatsiam-bola hatramin’ny […]

« Salon de l’Auto » : Nahazo fiara 4×4 ny loka voalohany

Nampafantarina, ny zoma 9 oktobra teo, ireo tsara vintana nahazo ny loka tombola, nokarakarain’ny Vondron’ny mpanafatra fiarakodia avy any ivelany eto Madagasikara (GCAM), nandritra ny hetsika « Salon de l’Auto » natao teny amin’ny CCI Ivato, farany teo. Anisan’ny nahazo ny loka voalohany avy amin’ny GCAM, fiara tsy mataho-dalana 4×4 Rakotonarivo Rijanirina […]

Letisia : Voafaritra ireo paikadim-pitantanana

Hapetraka ny mangarahara eo amin’ireo mpisehatra letisia mba hiarovana ny tombontsoan’ny daholobe sy hiantohana ny fitohizan’ny tsena eoropeanina. Fanatsarana ny kalitao, ny fifaninanana ary ny fitantanana ny seha-pihariana letisia malagasy. Ireo no tanjona nandritra ny dinika nataon’ny delegasionina malagasy tamin’ireo orinasa mpanafatra letisia any Eoropa, tany Parisy-Frantsa. Nam­paha­fantarina tamin’izay koa […]