Auteur/autrice : Adnews

TSELATRA

Jiolahy roa mpanao fanafihana mitam-piadiana voasambotry ny polisy tao Ambondromamy ka naiditra am-ponja ny zoma 9 oktobra lasa teo. Tsy mionona amin’ny halatra ataony, manolana ny tompon-trano koa izy ireo, araka ny fanazavan’ny polisy. Niakatra fampanaovana ka voatazona vonjimaika. Naiditra vonjimaika any am-ponja ny lehilahy iray tratra nanolana ankizivavy tsy salama […]

Raharaha Gastro: Pizza Polisy iray nalefa eny Tsiafahy

Notanana vonjimaika any am-ponja, afakomaly, ny iray tamin’ireo mpitandro filaminana nanampoaka basy ka nitarika faty olona teny Na­mon­tana. Naharay loharanom-baovao ny mpitandro filaminana eo anivon’ny hery vonjy taitra eo anivon’ny polisim-pirenena fa nisy olon-dratsy nanao fandrobana teny Na­mon­tana. « Natoron’ilay mpivarotra lasibatra ny lalan-kely nandosiran’ireo olon-dratsy », hoy ny fanazavan’ny Tonia mpampanoa lalàna […]

Toamasina: Jiolahy raindahiny matin’ny polisy

Manoloana ny firongatry ny tsy fandriampahalemana ao Toamasina, nampiakatra ny paikadiny ny polisim-pirenena. Noho ny ezaka, nisy jiolahy iray matin’ny polisy teny Tanambao verrerie. Tafaporitsaka ny telo hafa. Nahatratra basy vita gasy iray sy bala 7,65mm miisa telo ilay jiolahy voatifitra. Fantatra nandritra ny fandalovan’ny fianankaviany tetsy amin’ny tranom-patin’ny hopitaly […]

Zandary voavely “bois rond” : Nitresaka ny lohany, nipitika ny nifiny

Sady vaky loha no niala nify, hita faty teo amin’ny sisin-dalana ny zandary iray afakomaly alina. Novelesina tamin’ ny vatan-kazo izy tao Ambalamanasa, araka ny loharanom-baovao. Ahina ho novelesin’ny olona nahavanon-doza tamin’ny « bois rond » ilay zandary hita faty tao amin’ny fokontany Ambala­manasa, kaominina Mana­kara, afakomaly. Nihintsana ny nifiny. Nahitana faritra […]