Auteur/autrice : Adnews

Korea Atsimo: Ivontoeran’ny kolontsaina ao Barikadimy

Napetraka tamin’ny fomba ofisialy ny zoma lasa teo, tetsy amin’ny Campus Oniversiten’i Barikadimy Toamasina, ny ivontoerana fampiofanana sy fampianarana teny Koreanina tatsimo. Tsy ny fiteny ihany no hovoizina na horatovina ao fa ny kolontsaina, sy ny fomba fahandro, ary ny fomba filalaovana nentim- paharazana. Anisan’izany ny ” K-Pop sy Ariang” […]

Tetikasa Konstitution’ka: Nitafana momba ny fitsinjaram-pahefana

Tafiditra amin’ny drafitrasan’ny Tetikasa Konstitution’ka, notaterahina teny amin’ny Radisson Blue, Ambodivona, ny famelabelaran-kevitra « Regards croisés de Madagascar et d’Allemagne sur l’autonomie territoriale : décentralisation et fédéralisme », ny 29 septambra lasa teo. Tetikasa izay vatsian’ny GIZ vola, ary iarahan’ny fikambanana Gen ZYX Fanorina sy ny Agetipa miahy. Ity farany […]

TARATRY ny KANTO

Nanakoako tao Antsahamanitra ny “Live 16 mesures”, omaly. Hetsika tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny fahasalamana ara-tsaina. Mpanao Rap sy Hip Hop manana ny maha izy azy no niaka-tsehatra ary hita taratra ny mbola fankafizan’ny Malagasy ireo gadona ireo. Razafiarisolo Telina no solontena malagasy amin’ny “Miss Africa […]

« Madajazzcar 2026 » : Roa herinandro nifampizarana mozika

Zokiny indrindra amin’ny “festival” rehetra misy eto Madagasikara ny “Mada­jaz­zcar”. Zokiny, midika ho be traikefa. Mety antony nahatsapana ny fifampizarana mozika nandritra ny roa herinandro nisian’ny hetsika izany, na dia toa izay foana aza ny isan-taona. Naparitaka tamina toerana samihafa, mba hisian’ny mpanaraka maro ihany koa. Ao ireo toerana efa […]

Literatiora: Hisy velakevitra ny 14 oktobra

Hahazo tombony indray ireo liana sy mankafy literatiora. Hisy ny velakevitra hatao ny alarobia 14 oktobra izao, eny amin’ny efitrano Dox ao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy hanomezana vahana ny literatiora. Olona tsy vaovao eo amin’izany sehatra izany, no hanatanteraka ny velakevitra, tsy iza izany fa Ratrimoheritompo Holiharinaivo, mpampianatra literatiora. Lohahevitra hifampizarana […]