Auteur/autrice : Adnews

Freedom Festival 250: nitondra nofinofy goavana ho an’ny mpianatr’Ankatso

Fahafahana, fahalalana, nofinofy, fandraisan’andraikitra… Nifoha tao anatin’ireo mpianatry ny oniversiten’ Antananarivo ireo nandritra ny hetsika « Freedom Festival » teny an-toerana. Nahasarika mpianatra maro ny hetsika «Ame­rican Spaces Freedom Festival» teny amin’ny Espla­nade Oniversiten’Anta­nana­rivo, omaly. Niarahana tamin’ny American Corner Antana­narivo ny fampirantiana marolafy mahakasika an’i Etazonia. Ny mpanolotsaina misahana ny serasera sy […]

Festival Madajazzcar 2026: tontosaina anio ny « Podium de Clôture »

Tao anatin’ny roa herinandro, feno tanteraka ny fandaharam-potoanan’ny “Festival Madajazzcar 2026”. Antana­narivo, Toamasina, Antsirabe, samy nandray hetsika goavana (fampisehoana, fifanakalozana, fifaninanana…) avokoa. Mpitendry sy mpihira ary mpitia jazz avy eto an-toerana sy avy any ivelany, samy tazana teny an-tsehatra. Hofintinina anio tolakandro, amin’ilay seho sehatra lehibe « Podium de clôture », etsy […]

Vakoka momba ny horonantsary: hiverina amin’ny fanjakana ny Auditorium Androhibe

Toerana iray mitahiry ampahany betsaka amin’ny vakoka momba ny horonantsary teto Madagasikara ny « Auditorium » etsy Androhibe. Fantatra izao fa naverina ho eo ambany fitantanan’ny fanjakana, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, ny toerana sy ireo raki-tsarobidy voatahiry ao. Tonga nitsidika ny toerana teny Androhibe ny minisitra Mandrin­drari­vony Ogascar, sady […]

Vaovao tambatra

Hanafatra milina mamokatra herinaratra miisa 18 mandeha amin’ny solika, avy any Rosia ny fitondram-panjakana. Antenaina fa anisan’ny hamaha ny olan’ny delestazy eto amintsika ireo milina ireo. Va­haolana tsy ianteherana amin’ny fifampiraharahana amin’ireo orinasa mpamokatra herinaratra tsy miankina ihany koa, sady hamenoana ny banga amin’ny famokarana angovo avy amin’ny masoandro, izay […]

Paositra malagasy: mampifandray an’izao tontolo izao

Mivoatra manaraka ny toetrandro ny paositra malagasy. Nivoitra izany nandritra ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny paositra, tetsy Analakely, omaly. Manana anjara toerana lehibe sy mampifandray olona, fianakaviana sy fiarahamonina ary firenena izy. Maro samihafa ny tolotra ataon’ity tambajotra izay mankalaza ny faha-32 taonany ity, noho izy manamora ny […]