Auteur/autrice : Adnews

Lehilahy nahafaty ny vadiny : Noleran’ny fokonolona antsy ny kibony

Tra-tehaky ny fokonolona, omaly ny raim-pianakaviana iray, nahafaty ny renin-janany izay niterahany telo. Saika matin’ny fitsaram-bahoaka izy. Efa notsindromin’ny fokonolona antsy ny kibony. Ny tody tsy misy! Saika matin’ny fokonolona tao Ambolomadinika, Toa­masina ny raim-pianakaviana iray. Niharan’ny fitsaram-ba­hoaka izy, raha nikasa ny handositra taorian’ny heloka be vava nataony, afakomaly. Namono […]

Taranja Basikety : Misedra olana ny fifidianana any amin’ny ligin’Atsimo Atsinanana

Araka ny loharanom-baovao mari-pototra, misedra olana ny fifidianana izay ho filohan’ny ligy any Atsimo Atsinanana, izay tsy mety tanteraka mandraka ankehitriny. Efa intelo izao no niova ny daty tokony nanatanterahana izany ary nahitana fihemorana hatrany. Ny 27 desambra lasa teo no daty voalohany voatondro nanaovana io fifidianana io, nihemotra ny […]

DAKA AN-JORONY

Aza atao ranotrambo ny firarian-tsoa Rehefa miandoha tahaka izao ny taona, manao be fiavy ny firarian-tsoa. Eo koa ny filazana tetikasa hatao. Misa­sasasa sy misosososo ary misesisesy izany kanefa aza atao ranotrambo be fiavy fa mora ritra. Tsara tokoa ny mifampirary soa fa izany no fanalahidy amin’ny fiainana. Matetika anefa […]

Baolina kitra – CAN 2025 : Tafita ny voromaherin’i Mali sy ny lionan’i Teranga Senegal

Senegal sy Mali no firenena roa voalohany tafita amin’ny dingana ampahefa-dalana, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2025), taranja baolina kitra. Efa tany amin’ny fandakana ny « tirs au but », vao nivoaka ho mpandresy ry zareo Malianina nanoloana an’i Tunisie. Senegal kosa nanilika an’i Soudan. Tontosa ny sabotsy lasa […]