Voavaha ihany ny olana ho an’ireo Malagasy mpikatroka karate. Fantatra fa nanohana azy ireo ny fanjakana amin’ny fiatrehana ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany 2026. Anisan’ireo nanolo-tanana ny filohan’ny Fanavaozana sy ireo mpikambana sasany ao amin’ny prezidansa. Teo koa ny lehiben’ny governemanta sy ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Taranja «Pentathlon »: atleta malagasy roa ho any Portugal
Tafita hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny taranja “Pentathlon moderne” izay hotanterahina any Portugal, ny 26 oktobra hatramin’ny 1 novambra ho avy izao, ireo atleta malagasy roa vavy, Razafimbahiny Chricyah sy Andrianantara Fahendrena. Izy mirahavavy ireo izay nisongadina nandritra ny fifaninanana afrikanina natao tany Afrika Atsimo, ny faran’ny […]
Coach Raux Auguste, Barea sokajy vehivavy: “Paikady entina hihaonana amin’i Afrika Atsimo ny valim-panafihana”
Nanainga omaly, tetsy Ivato, hihazo an’i Afrika Atsimo, ny delegasionina malagasin’ny Barea, vehivavy, izay hifandona amin-dry zareo Afrika Atsimo Banyana Banyana. Miisa 23 ireo mpilalao hiaro ny voninahi-pirenena. “Afaka iray andro”! Hifanandrina amin’ny ekipam-pirenen’i Afrika Atsimo, Banyana Banyana, ny Barea, vehivavy, rahampitso, ao amin’ny Kianjan’ny Free State Stadium atsy Afrika […]
Vaovao tambatra
Hapetraka ny fenitra farany ambany amin’ny fampiasana ny angovo (MEPS), andiany faharoa. Tanjona ny hametrahana fenitra nasionaly farany ambany amin’ny fahombiazan’ny fampiasana angovo, indrindra amin’ny kojakoja ilaina andavanandro sy ao an-tokantrano. Anisan’izany ny fiara elektrika, ny fitaovana fandrahoan-tsakafo mandeha amin’ny herinaratra, sns. Mitohy ny fanamboarana ny lavadavaka sy ny lalana […]
Banky Foibe: nandiso ny vaovao tamin’ny Google Finance
Diso ny tarehimarika momba ny sandan’ny Ariary (MGA) tao amin’ny Google Finance raha oharina amin’ny dolara amerikanina (USD), omaly. Voalaza tao anatin’izay fa misanda 2 237,72 Ariary ny dolara iray. Olana ara-teknika teo amin’ny rafitra “Algorithme” no nahatonga ny fahadisoana, raha ny fanazavan’ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM), taorian’ny fifandraisana mivantana […]





