Auteur/autrice : Adnews

Laboratoara-CHUJRA: karazany maro ny fitiliana azo atao

Mitondra fanazavana ho an’ny olona mankeny amin’ny laboratoaran’ny hopitaly ny profesora Razanakolona Mialy, lehiben’ny sampandraharahan’ny laboratoara microbiologie, parasitologie et mycologie ao amin’ny CHU JRA. Ao amin’ny rihana voalohany no misy ity sampandraharaha ity. Mizara roa ny an­drikitra: ny fitiliana sy ny fampiofanana. Mizara telo ny otrikaretina tilina ka anisan’izany ny […]

Faritra avo eto Antananarivo: trano 1 490 tafo tandindomin-doza

Mandry tsy lavoloha ny mponina eny amin’ny faritra avà amin’izao orana mateti-piavy izao. Mandindona azy ireo ny mety ho fianjeran’ny vatobe handrava ny tanàna lalovany. Tokantrano 1 490 no tandindomin-doza. Namoaka filazana maika ny BNGRC, omaly, fa trano miisa 1 490 tafo no tandindomin-doza amin’ny mety ho fianjeran’ny vatobe maromaro. […]

Kamiao tapaka hisatra: olona efatra naratra tetsy Ankazomanga

Nisehoana lozam-pifamoivoizana naharatrana olona indray tetsyAnkazomanga akaikin’ny tobin-tsolika Jovenna, omaly, tokony ho tamin’ny 07 ora maraina. Nandeha mafy ny fiarabe mpitatitra entana iray, marika Mercedes Benz, miloko fotsy. Tsy tafajanona ary nifoaka olona efatra nandeha teny amin’ny sisin-dalana. Mbola nidona tamin’ny andrin-jiro iray teo amin’ny sisin-dalana ihany koa izy io […]

Niharan’ny fanolanana: herinandro tsy mahatsiaro tena ilay zaza

Mila hakarina tsaboina eto an-dRenivohitra ilay zazavavy fito taona niharan’ny fanolanana tao Tsiroanomandidy ka tsy nahatsiaro tena efa ho herinandro lasa. Afa-miaina sy mihetsika ny vatan’ny zazavavy vao fito taona monja niharan’ny fanolanana tao Mangarivotra, distrikan’i Tsi­roa­nomandidy, saingy tsy mahatsiaro tena hatramin’ny omaly. Nitaraina ho narary io zaza io herinandro […]