Auteur/autrice : Adnews

“Noely fifaliana 2025″: niara-paly ny fianakaviamben’ny Foloalindahy

Niompana tamin’ny lohahevitra “Noely fifaliana” ny fankalazana ny fetin’ny Noely nokarakarain’ny minisiteran’ny Fo­loalindahy (MFA) notarihin’ny minisitra, ny Jly Razafitombo Maminirina Ely mivady, ny sabotsy teo, tao amin’ny MFA Ampahibe. Fanom­poam-pivavahana no nanombohana izany. Notarihin’ny raiamandreny am-panahy eo anivon’ny fitazaim-panahy anivon’ny MFA. Nitohy tamin’ny kilalaon’ireo zanaky ny mpiasa sy ny soradihy […]

Fankalazana ny noely: mitety hopitaly ny mpanao asa soa

Amin’izao ankatoky ny fetin’ ny Noely sy ny faran’ny taona izao, nahatsiaro ny marary ma­naraka fitsaboana etsy amin’ny CHU JRA ny fiangonana FVK FM tamin’ny alalan’ny sampana ara-tsosialy ao aminy. Nanome vary, menaka, sa­vony sy kojakoja ilaina andavanandro izy ireo. Indroa isan-taona no hanatanterahina iza­ny hetsika fanohanana ny ma­rary izany, […]

Pancrace MMA-Mada 2025: Niakatra ny lentan’ny mpikatroka

Tontosa ny sabotsy 20 desambra teo, teny amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Pan­crace MMA, taom-pikatrohana 2025. Katrokady 40 no nitranga, nandritra izany. Niakatra ny lentan’ny mpikatroka nandritra ity fifaninanam-pirenena teo amin’ny taranja Pancrace MMA, ity. Tena nahitana taratra izany ny teo amin’ny sokajy taninketsa, raha […]

TARANJA BAOLINA KITRA: Mijanona eo amin’ny laharana faha-105 i Madagasikara

Tsy miova ny filaharan’i Madagasikara ao amin’ny Fifa. Nahatonga izany ny tsy fanatrehan’ny Malagasy fifanintsanana iraisam-pirenena tamin’ity volana desambra ity. Nivoaka afakomaly, tao amin’ny tambajotran-tseraseran’ny Fifa ny filaharan’ireo firenena amin’ny taranja baolina kitra maneran-tany. Tsy miova ny laharan’i Madagasikara fa mijanona eo amin’ny faha-105. Tsiahivina fa ny volana novambra lasa […]