Auteur/autrice : Adnews

Nanao fitsaram-bahoaka: roa lahy migadra dimy taona

Nosazin’ny fitsarana ao Toamasina higadra dimy taona an-tranomaizina, sazy mihatra, ny roa lahy tamin’ireo valo voarohirohy noho ny fanaovana fitsaram-bahoaka, ny alatsinainy 22 desambra lasa teo. Mpianatra iray nirava avy nianatra “cours” lasibatry ny vono sy daroka nataon’ny andian’olona tao Man­garivotra Atsimo, parisela 11/14, ny volana avrily 2025 lasa teo. […]

Kaominina Fanandrana: hanodina fako 60 taonina isan’andro

Hanome asa ho an’ny tanora, hanodina fako ho lasa vokatra ilaina amin’ny andavanandron’ny mponina ny tetikasa vaovao ao amin’ny kaominina Fanandrana. Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana mifandimby eto amin’ny Nosy. Nisitraka fitaovana lehibe ahafahana manodina fako ny tanànan’ Antsarimasina, kaominina Fanandrana, Toamasina II, ny alakamisy 19 desambra teo. Hisahana manokana […]

Tetikasa Folur 86 000 ha hotantanina maharitra

Miompana amin’ny hananganana rafitra ara-tsakafo ma­haritra sy famokarana ara-tsakafo ny tetikasa “Food Systems Land Use and Restoration» (Folur). Tanjona ny hitantanana maharitra velarantany 86 000 ha manerana ny Nosy, ka ha­verina amin’ny laoniny ny 10 000 ha amin’izany. Miisa 30 000 ny tantsaha mpamokatra vary sy kafe hotohanana. Harovana manokana sy tahirizina ny […]

Faritra Boeny: zanaka honko miisa 10 000 voavoly

Nosantarina ny 23 desambra teo ny taom-pambolen-kazo 2025 any amin’ny faritra Boeny. Miisa 10 000 ny zana-kazo honko, karazany roa, nambolena any amin’ny ala hon­ko ao Manapatanana-Ambo­rovy, eo an-tampon-tanànan’ i Mahajanga. Novokarina tany amin’ny tanin-jana-kazon’ny fikambanana Anareo mbola havanay (AMH) ireo zana-ka­zo honko ireo. Nampahafan­tarina sy nanentanana ny re­hetra ny fomba […]

Tetikasa Sahofika: mila 1,2 miliara dolara hananganana tohodrano

Efa novolavolaina tamin’ny taona 2014-2015 ny tetikasa fananganana tohodrano hamokatra herinaratra, manana tanjaka 300 MW. Efa vonona ny mpamatsy vola fa ny fanjakana malagasy sisa no andrasana. Famokarana goavana in­drindra eto Madagasi­ka­ra rehefa tanteraka ny te­tikasa Sahofika. Any amin’ny faritra Vakinankara­tra sy Amo­ron’i Mania ny toerana hananganana ny tohodrano, mamokatra […]