Auteur/autrice : Adnews

Fadintseranana: «Ampy izay ny tsindry politika», hoy ny Sempidou

Lany faninefany hitantanana ny Sendikan’ny mpiasan’ny ladoany (Sempidou), Andria­na­valona Herizo Ramanam­bola. Mandritra ny telo taona ny fe-potoana hiasany (2026-2028). Fanamby vaovao hoentiny ny fametrahana ny lanjan’ny sendikà hanajana ny tombontsoan’ny mpiasan’ny Fadintseranana, ny hiarovana ny zony, ary afaka miasa an-kalalahana. Manana ny toerany eto amin’ny firenena ny Sempidou, indrindra amin’ny […]

Maro ny lesoka mila harenina: 25 % ny harin-karena no entin’ny fambolena

Natao ny 18 desambra teo ny atrikasa namoahana ny fanadihadiana ireo foibem-pikarohana sy rafi-panjakana ara-pambolena eto Madagasikara. Ahitana ny Fofifa, ny Fifamanor, ny Sampandraharaha ho fanaraha-maso ny masomboly (Soc), ny Imvavet ary ny Cffamma, izany. Notsipihin’ny profesora Radanielina Tendro fa tsy mirindra ny fikarohana ara-pambolena eto Ma­dagasikara ka mila fanarenana. […]

Fitantanana ny loza sy tandindon-doza: nohavaozina ny serasera ho an’ny ambana sy ny voina

Notanterahina nandritra ny hateloana, ny herinandro lasa teo, ny atrikasa fanavaozana ny paikadim-pirenena momba ny serasera ho an’ny ambana sy ny voina ho an’i Madaga­sikara. Tsapa tao anatin’ny taona maro nifandimby fa miha mafy sy miha maro ny loza voajanahary sedrain’ny Nosy. Ilaina, araka izany, ny fametrahana rafitra fiomanana sy […]

Sehatrasa any ivelany: mila infirmiera 30 000 ny atsy Maorisy

Nambaran’ny filohan’ny Holafitry ny infirmiera, Andriana­rison Botosera (John Love), ny sabotsy teo, tetsy Befelatanana, fa tsy ampy ny infirmiera maneran-tany. Maro anefa ireo efa nivoaka tsy mbola an’asa eto amintsika ka nojerena ny fomba hivoahan’izy ireo any ivelany, araka ny nambarany. « Mbola vitsy rahateo ireo tafiditra ho mpiasam-panjakana na koa […]

Aorian’ny fiterahana: tokony ho enim-bolana ny fitsaharana

Efa vita ny famolavolana ny boky torolalana ho an’ny orinasa manome lanja ny fiahiana ny fianakaviana anatin’ny asa sahaniny amin’ny andavanandro. Mifandraika amin’ny sehatra efatra ny boky. Ho an’ny birao, ny indostria, ny fambolena ary ny mpanome tolotra. Ha­nampy ny fanjakana sy ny mpitantana orinasa hametraka politika manamora ny fiainam-pianakavian’ny […]