Natao, omaly, tetsy Anosy, ny loabary an-dasy momba ny fandaniana ny volam-panjakana. Tanjona ny hanafainganana ny famoahana azy hamatsiana ireo tetikasa miantraika mivantana amin’ny vahoaka. Nitarika ny fotoana ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana, notronin’ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanambola, ny Dr. Ramiarison Herinjatovo Aimé. Mazava ny lahadinika, hikarohana ny vahaolana […]
Auteur/autrice : Adnews
Fantina sy fintina
Mety ho fantatra amin’ity herinandro ity ny fanamarihana ny 14 oktobra. Miainga amin’ny fanapahan’ny filankevitry ny governemanta ny didim-panjakana momba izany mba ho andro tsy iasana. Eo koa ireo fampahafantarana ireo hetsika hanamarihina izany faha-68 taona nijoroan’ny Repoblika izany, manerana ny Nosy. Tsy ny filohan’ny Fanavaozana no haniraka ny fanagadrana […]
Mila mailo
Vao mahoraka kely ny fanovana governemanta dia mipoitra avokoa ny akama sy ny tsy akama. Ny namana manasoasoa. Tsy misy tomika ny olona tohanana. Tena “favori” avokoa ny mpitondra, nomen-tseza. Miakatra tampoka ny mpanao ranty sy ny klioban’ny mpankafy. Hatramin’ny fampiserana haingon’ny mpiasa, efa vaovao goavambe ho an’ny sasany. Heverina […]
Razafinjoelina Tahina: « Tsy ilaina ny fisehosehoana ivelany… »
« Tsy ny fisehosehoana ivelany no tokony ho ivon’ny politika fa ny fananana tetikasa mazava sy azo tanterahina ary ny fahafahana manatanteraka izany », hoy ny filoha nasionalin’ny antoko Tia Tanindrazana, Razafinjoelina Tahina. Nivoitra izany tamin’ny fifampizarany traikefa sy fahalalana tamin’ireo mpianatry ny Inscae, ny herinandro teo. Nampahafantarany koa ny momba ny […]
Fanamboarana governemanta: saro-toerana ireo minisitra tsy misongadina
Anisan’ny takina tamin’ireo minisitra amin’izao fanavaozana izao ny fanatanterahana ny hetahetam-bahoaka, indrindra izay notakina teny an-kianja tamin’ny taon-dasa. Mby aiza? Efa nanao tatitra ny zava-bita tao anatin’ny enim-bola nandraisany ny asany ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana, ny fiandohan’ny herinandro teo. Ahoana kosa ny amin’ireo minisitra? Mandeha ny resaka eo amin’ny tontolo […]





