Auteur/autrice : Adnews

Taranja «Pentathlon »: atleta malagasy roa ho any Portugal

Tafita hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny taranja “Pen­tathlon moderne” izay hotanterahina any Portugal, ny 26 oktobra hatramin’ny 1 novambra ho avy izao, ireo atleta malagasy roa vavy, Razafim­bahiny Chricyah sy Andria­nantara Fahendrena. Izy mirahavavy ireo izay nisongadina nandritra ny fifaninanana afrikanina natao tany Afrika Atsimo, ny faran’ny […]

Coach Raux Auguste, Barea sokajy vehivavy: “Paikady entina hihaonana amin’i Afrika Atsimo ny valim-panafihana”

Nanainga omaly, tetsy Ivato, hihazo an’i Afrika Atsimo, ny delegasionina malagasin’ny Barea, vehivavy, izay hifandona amin-dry zareo Afrika Atsimo Banyana Banyana. Miisa 23 ireo mpilalao hiaro ny voninahi-pirenena. “Afaka iray andro”! Hi­fanandrina amin’ny ekipam-pirenen’i Afri­ka Atsimo, Banyana Ba­nyana, ny Barea, vehivavy, rahampitso, ao amin’ny Kianjan’ny Free State Stadium atsy Afrika […]

Vaovao tambatra

Hapetraka ny fenitra farany ambany amin’ny fampiasana ny angovo (MEPS), andiany faharoa. Tanjona ny hametrahana fenitra nasionaly farany ambany amin’ny fahombiazan’ny fampiasana angovo, indrindra amin’ny kojakoja ilaina andavanandro sy ao an-tokantrano. Anisan’izany ny fiara elektrika, ny fitaovana fandrahoan-tsakafo mandeha amin’ny herinaratra, sns. Mitohy ny fanamboarana ny lavadavaka sy ny lalana […]

Banky Foibe: nandiso ny vaovao tamin’ny Google Finance

Diso ny tarehimarika momba ny sandan’ny Ariary (MGA) tao amin’ny Google Finance raha oharina amin’ny dolara amerikanina (USD), omaly. Voalaza tao anatin’izay fa misanda 2 237,72 Ariary ny dolara iray. Olana ara-teknika teo amin’ny rafitra “Algorithme” no nahatonga ny fahadisoana, raha ny fanazavan’ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM), taorian’ny fifandraisana mivantana […]

Fampiasana masomboly: malalaka ny safidy ho an’ny mpamboly

Mora ho an’ny mpamboly ny mandray ireo karazana masomboly vaovao rehefa izy ireo ihany no misafidy sy manombana izany. Nivoitra izany nandritra ny atrikasa nokarakarain’ny Cirad, Fofi­fa, Fifata ary Ceffel tamin’ny tombana nataony ny volana septambra teo, niaraka tamin’ireo mpamboly avy ao Va­ki­nanka­ratra. Nifantoka tamin’ny vary, voanjo ary voanjobory ny […]