Auteur/autrice : Adnews

FANTINA sy FINTINA

Nodimandry, omaly, ny filoha mpanorina ny antoko Udecma-KMTP, Randriamorasata Solo Norbert. Mpanolotsaina faratampon’ny tolom-piavotana (CSR) tamin’ny Repoblika II izy, ary tale nanorina ny gazety Fiaraha-miasa sady filoham-boninahitry ny Fikam­banan’ny mpanao gazety zokiolona eto Madagasikara (AJDM). Nanao fandraharahana koa izy teo amin’ny sehatry ny fitrandrahana vato, fiompiana trondro sy tantely… Foto-kevitra […]

Filohan’ny Antenimierampirenena: “Tsy valifaty ny fanadihadiana parlemantera”

“Tsy natao hanaovana valifaty politika ireo fanadihadiana atao, tsy natao hitsa­rana mialoha ihany koa. Ny marina no tadiavina.” Io ny kabarin’ny filohan’ny Ante­nimie­rampirenena, Randria­na­soloniaiko Siteny, nanomboka ny fivoriana tsy ara-potoana teny Tsimbazaza, omaly. Nasiany teny tamin’ izany ny fanadihadiana par­lemantera momba ny fitantanana ny raharaham-panja­kana nandritra ny fitondran’ny filoha teo […]

Aleo hifanatrehana

  Andrasana fatratra amin’izao ny fanatanterahana fikaonandoham-pirenena. Mby aiza? Na ny tetiandro fanatanterahana, izay fomba hanaovana azy, ny lohahevitra hikaonan-doha, izay ho mpandray anjara… Mila fanazavana amin’ny antsipiriany sy manontolo hisian’ny fifampitokisana. Lazaina izay atao, atao izay lazaina. Mba tsy hihemo-dava ka zary mampieritreritra sy mampiherikerika. Ny fikaonando­ham-pirenena no hiantoka […]

FFKM : Tafatsangana ny birao ho an’ny fikaonandoham-pirenena

Natolotry ny FFKM ofisialy teny amin’ny Village Voara Andohatapenaka, omaly, ireo mpikambana mandrafitra ny birao sy komity teknika hitantana ny Fikaonandoham-pirenena. Mizara 4 mazava izay birao izay. Ahitana ny filankevi-pitantanana izay misy mpitantana 17. Ani­san’ny voatendry ao anatin’ny filankevi-pitantanana, ny Prai­minisitra teo aloha, Raman­dimbiarison Zaza sy ny mpahay toekarena, Zafima­hova […]