Nahazo mpilalao vaovao indray ny Barea! Nantsoin’i Corentin Martins handrafitra ny Barean’i Madagasikara, i Ilam Djaliane, mpiandry tsatoby milalao ao amin’ny Blagnac FC, divizionina fahadimy (D5) any France. Araka ny fikarohana natao, nahatafidirana baolina 12 tamin’ireo lalao enina vitany ity mpiaro ny masonaraton’ny Barea vaovao ity. Efa nandalo niatrika fiofanana […]
Auteur/autrice : Adnews
“Environment Contest 3×3” : Ekipa 91 hifaninana amin’ny 5 sy 6 jona
Efa tapitra tanteraka ny fisoratana anarana amin’ilay fifaninanana “Environment Contest 3×3”, izay hatao ny 5 hatramin’ ny 6 jona izao, manoloana ny Lapan’ny Tanàna Antananarivo. Fifaninanana basikety lalaovin’olona 3, natokana ho an’ny mpianatra eny anivon’ny Oniversite, izay karakarain’ny minisiteran’ny Fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Iarahan’izy ireo misalahy amin’ny Federasionina malagasin’ny […]
Rugby sokajy vehivavy – CAN 2026 : Resin’i Kenya 57 no ho 0 ny Makis Ladies
Nomontsanin’ny Kenyanina tamin’ny isa mavesatra ny Makis Ladies, nandritra ny andro faharoa, niadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2026), sokajy «Performance Division». Faharesena faharoa, ary tsy mbola afa-bela tamin’ i Kenya indray ny tovovavy malagasy. Tsy mbola nihiratra ho an’ny Makis Ladies ny masoandro eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i […]
Fanalam-baraka tamin’ny facebook : Nametraka fitoriana ireo olona voakasika
Nametraka fitoriana eny anivon’ny mpitandro filaminana ilay mpampiasa sy ilay vehivavy mpiasa nahatsiaro tena ho nalana baraka tamin’ny alalan’ny fanapariahana vaovao tsy marina, ny alatsinain’ny Pantekoty teo. Nitsangantsangana teny ankalamanjana, nitondra sakafo, ilay ramatoa sy ny fianakaviany ary ilay mpanampy ao an-trano. «Efa avy nisakafo tamin’ny toeran-kafa izahay ary nisy […]
Oniversiten’Antananarivo: Tsy maintsy anaovana ny badge
Ialana amin’ny gaboraraka, noraisina ny fepetra fivezivezena eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Nivoaka ny naoty laharana 06/26/UA/PR/CR mampahafantatra fa araka ny fanapahan-kevitra noraisina nandritra ny fivorian’ny filankevitry ny oniversite (CSU) dia ampiharina eo anivon’ny faritry ny Oniversite, manomboka ny 1 jona, ny fitondrana karatra famantarana manokana. Voakasik’izany ny mpianatra, ny mpandraharaha ary […]




