Auteur/autrice : Adnews

Tarika Iray Fy’Art : Hilalao tantara amin’onjampeo any Amparamanina

Mitohy hatrany ny fitetezam-paritra amin’ny tantara an-tsehatra. Hihazo ny any Alaotra, Amparamanina Am­pa­rafaravola, ireo mpilalao tantara amin’ny onjampeo, ny tarika Iray Fy’Art, taorian’ny seho an-tsehatra tany Maha­janga, ny herinandro teo. Hihaona mivantana sy hifanakaiky kokoa amin’ireo mpankafy sy ireo vahoaka any an-toerana izy ireo ny alahady 7 jona ho avy […]

Faritra Normandia Frantsa: Nanangana ivontoerana ho an’ny tanora

Notokanana ny alin’ny talata 20 mey teo, ny ivontoerana fanovozam-pahalalana etsy Ampasimazava izay najoron’ny faritra Normandia any Frantsa, ho mariky ny fiaraha-miombon’antoka amin’ny Faritra Atsinanana. Raha hiverenana, efa an-taonany maro ny fiarahan’ny faritra roa tonta : “Coopération décentralisée Normandie”. Nampitondraina ny anarana hoe “Atélier 501 centre de ressources” ity ivontoerana ity […]

Ady amin’ny kolikoly : Mihemotra ny laharan’i Madagasikara

Nihemotra laharana valo i Madagasikara amin’ny ady amin’ny kolikoly, araka ny tatitry ny Transpa­rency international faha-31, ny fiandohan’ny herinandro teo, momba ny tondro andrefesana ny kolikoly, taona 2025. Laharana 148 amin’ny firenena 182 i Madagasikara tamin’ny 2025, amin’ny isa 25 amin’ny 100 na 25/100. Nefa tamin’ny taona 2024, 26/100 no […]