Efa vita ny lasi-panofanana momba ny fikarakarana lakozia sy nahandro, « serveur barman », « valet » et « femmes de chambre ». Mitohy kosa izany ho an’ny asa fandraisam-bahiny (réceptionniste), hoy ny solontenan’ny IECD eto Madagasikara, Rakotoarivelo Manitra. Nohavaozina ny lasi-panofanana amin’io fiofanana io, amin’ny lenta BTS, araka ny filana sy ny fivoaran’ny tontolon’ny fizahantany […]
Auteur/autrice : Adnews
VAOVAO TAMBATRA
Hisokatra amin’ny 15 desambra ho avy izao ny fitaterana an-dalamby, « Train urbain ». Tsy hihoatra ny 3 000 Ar ny saran-dalana, mampitohy ny gara Soarano hatrany Ambohimanambola. Tetikasa tohanan’ny Banky iraisam-pirenena. Notsorin’ny minisitry ny Fitaterana, Raharisone Juste, fa finiavana politika no tsy natao, anisan’ny antony tsy nanokafana an’ity zotra ity hatramin’izay. Maherin’ny […]
Fampiroboroboana ny niomerika: Hanome sehatra ny vehivavy ny Maison digitale
Mbola sakana lehibe ho an’ny vehivavy maro ao Toliara ny fidirana amin’ny sehatra niomerika, indrindra fa eny amin’ny fokontany tena sahirana. Antony nahatonga ny Orange solidarité Madagascar, tohanan’ny Fondation Orange, nanao ny fandaharanasa « Maisons digitales pour les femmes » any an-toerana izany, hanohanana ny sehatrasa sy ny fidiram-bolan’ny mponina. Tanjona ny […]
Fampandrosoana : Mahasarika tanora ny fambolena sy fiompiana
Mbola mahaliana ny ankamaroan’ny tanora eo anelanelan’ny 18 ka hatramin’ny 30 taona ny sehatrasa momba ny fambolena sy fiompiana, raha ny vokatry ny fanadihadiana nataon’ny Office national de l’emploi et de la formation (Onef). Nivoitra tao anatin’ izany fa nisafidy ny seha-pihariana voalohany avokoa ny 17,9% amin’ireo tanora 307 nanontaniana. […]
Tetikasa Produir : Fotodrafitrasa maro notokanana
Vita ny fananganana tanàna vaovao faharoa, ahitana fotodrafitrasa maro. Eo koa ny fanamafisana ny fefilohan’Ikopa, mirefy 3,5 km. Mitohy ny asa fanajariana ataon’ny tetikasa Produir. Notokanan’ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny raharahan-tany (MFTR), ny jeneraly Lylison René de Rolland sy ny solombavabahoaka ary ny ben’ny Tanàna CUA, ny […]




