Auteur/autrice : Adnews

Naka an-keriny mpandraharaha: Jiolahy dimy lavon’ny polisy

Namoy ny ainy avokoa ny dimy tamin’ireo mpaka an-keriny tao Antsirabe, ny 13 novambra lasa teo. Nalain’ny olon-dratsy ny mpandraharaha sady tompona orinasa iray ao an-toerana, ny alarobia 12 novambra lasa teo. Nametraka fito­riana teny anivon’ny mpitandro filaminana ny fianakavian’ny lasibatra. Nanao ny fanangonam-baovao rehetra avy hatrany ny “Cellule mixte” […]

Nikasa hanafika : Jiolahy mitam-piadiana ravan’ny zandary

Ravan’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra (CB) Fenoarivo, notarihin’ny GPHC Rakotonanahary Joro, ny alin’ny alahady 9 novambra 2025, ireo jiolahy tompon’antoka tamina fanafihana amin’iny distrikan’Atsimondrano iny. Notafihin’ny andian-jiolahy ny mpivarotra iray ao amin’ny fokontany Ambohimangidy, Ampitata­fi­ka, tamin’io fotoana io. Voa­roban’ireo mpanafika tamin’ izany ny entam-barotra, finday marobe ary vola 4 500 000Ar. […]