Auteur/autrice : Adnews

Rugby – “XXL Top 12”: Donan’ny samy kartie ny an’ny CEA sy TFA

Hiditra amin’ny andro fa­ha­roa ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena taranja rugby D1 “XXL Top 12”. Fi­hao­nana hatao etsy amin’ny Kianja Makis Andohatape­naka, rahampitso 9 novambra. Lalao andrasan’ny rehetra ny fifanandrinan’ny CEA Andra­no­manalina sy ny TFA Anati­hazo. Donan’ny samy kartie ary heverina ho toy ny famarananakely mihitsy. Tsy hifampikoso-maso ny roa […]

Herinandron’ny karate : Hatao eto Analamanga ny “Mada isan-tarika”

Hotanterahina ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny 15 hatramin’ny 20 desambra izao, ny herinandron’ny Karate-do eto Madagasikara. Hizara roa mazava tsara ny fandaharam-potoana amin’izany ka, ny 15 hatramin’ny 17 desambra no nanatontosana ilay Gashuku nasionaly, izay hanomezana fiofanana ho an’ny mpanazatra sy mpitsara ary mpandraharaha nasionaly eo anivon’ny taranja karate. […]

Barean’i Madagasikara : Roa ihany ny mpilalao avy eto an-toerana

Mpilalao 22 nantsoin’i Corentin Martins, hiatrika ilay lalao ara-pirahalahiana, hihaonana amin’i Guinée Equatoriale, any Torkia, ny 17 novambra ho avy izao. “Roa ihany !” Raman­dimbi­soa Michel, na i Toldo, sy Rabema­nan­tsoa Radoniaina, no hany mpilalao avy eto an-toerana, tazana anatin’ny lisitry ny Barea A, nivoaka omaly, tao amin’ny tambajotran-tserasera. Mitotaly […]

INDRAY MIJERY

Noraisin’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina ny tambajotran’ireo olona manana fahasembanana, omaly. Teo koa ny federasionin’ny olona manana olana ara-pihainoana niaraka tamin’ny solontenan’ireo mpandika teny tanana. Maro ny lohahevitra niaraha-nidinika ka anisan’izany ny fampitomboana ireo mpanao dikanteny tanana amin’ny haino aman-jery. Manamarika ny faha-40 taona nijoroany ny Akanin’ny Marenina […]

Fivarotana sigara sy toaka: Voarara ny fanaovana dokambarotra sy fanentanana

Maro ny zavatra tsy azo atao momba ny fanjifana sigara sy paraky eto Madagasi­kara. Anisan’izany ny tsy fahazoana mifoka sigara eny amin’ny toerana ivezivezen’ny olona. Tsy fahafahan’ny ankizy latsaky ny 18 taona mividy sigara. Tsy fahafahana manao dokambarotra amin’ny fivarotana ireo vokatra ireo. Tsy azo atao ny manentana na mandoka […]