Auteur/autrice : Adnews

Gen Z Madagascar: Vonona hanohitra ny tsy mety

Nanao fanambarana tamin’ny mpanao gazety ny Gen Z Madagascar, omaly, tetsy Ampandrana. Maro ny tolo-kevitra nentin’izy ireo manoloana ny fijoroan’ny fitondram-panjakana misy amin’izao fotoana izao. Anisan’izany ny filazana fa vonona hanao fanadihadiana tamin’ny zavatra tsy nety teo aloha izy ireo. Anisan’ny notakina koa ny hamongorana ny kolikoly amin’ny endriny rehetra […]

Fampianarana : Tapitra ny fitokonana, hiasa amin’izay ny mpampianatra

Hamerina ny hasin’ny mpampianatra ny fanovana entina. Manaporofo izany ny fifanekena voarakitra sy nifaranahana tamin’ny fanjakana. Miverina miasa daholo amin’izay ny mpampianatra. Nanapa-kevitra ny hiverina mampianatra amin’izay ireo mpampianatra nitokona. Hiverina an-dakilasy hampianatra izy ireo amin’ny alatsinainy ary mampahafantatra izany amin’ny mpianatra sy ny ray aman-dreny. Niravina ny olana satria […]

TARATRY ny KANTO

« Instant Jazz » eny amin’ny Fara West Faravohitra. Haka endrika masterclass indray ny fiarahana anio, amin’ny 10 ora sy sasany. Manodidina ny lohahevitra « Ny kolontsaina Betsileo sy ny hareny anatin’ny famoronana ara-javakanto » no hitondrana fampahafantarana mandritra izany. Hitarika ny fotoana ry Mamy Ralaivita, Tsanta Nasandratra ary i Dina Mialinelina. […]

Taolagnaro: Seho roa misesy ho an’i Zook Davids

Mitohy ny fitetezam-paritra eto an-toerana ho an’ny Zook Davids. Fantatra fa ny any Taolagnaro na Fort-Dauphin indray no handray ny tarika, anio sy rahampitso. Ho an’ny anio, fampisehoana lehibe, hotanterahina ao amin’ny Lapan’ny Tanàna (CUFD), manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Ny rahampitso, hanomboka amin’ny 3 tolakandro ihany, ao amin’ny fiangonana […]