Auteur/autrice : Adnews

FANTINA sy FINTINA

Nodisoin’ny minisitra misahana ny Fana­vaozana, ny Me Razafimamantsoa Hanitra, ny feo miely tato ho ato. Nanteriny fa tsy misy izany ambara ho fisian’ny disadisa eo amin’ny FFKM sy ny fitondram-panjakana izany. «Samy manana ny andraikitra nankininy aminy avy izahay amin’ny fikaonandoham-pirenena», hoy izy. Misaona ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety. Nodimandry omaly […]

Ceni-Fisoratana anarana : Efa misokatra ny tranonkala e-Soratra

Efa afaka tsidihina ny tranonkala e-Soratra, hahafahana manatanteraka ny fisoratana anarana ana habaka, ho an’ny lisi-pifidianana, araka ny vaovao navoakan’ny Ceni (Commission Electorale Na­tionale Indépendante), tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity. Tsy voatery ho eny anivon’ny fokontany, araka izany, ny olom-pirenena, vao afaka manao izay fisoratana anarana ao anaty lisim-pifidianana izay fa […]

Resabe isan’andro

Tena mahita atao mihitsy ny Malagasy mpanao politika amin’izao fotoana izao. Isan’andro vaky tsy maintsy hahenoana resabe. Misy ny matotra, misy ny misavoamboana fa ny zavatra itovizany : ny vahoaka hatrany no mandray ny kihony. Anisan’ny nanaitra ny ranty tamin’ny tambajotran-tserasera mahakasika volabe an-jatony tapitrisa Dolara. Vola natokana ho an’ny traboina […]

Me Razafimanantsoa Hanitra : « Manana ny fiandrianany sy ny safidiny ny Malagasy »

Nandray ny sekretera jeneralin’ny « Organisation des États d’Afrique, des Caraïbes et du Pacifique – OEACP », i Moussa Saleh Batraki ny minisitra misahana ny Fanavaozana, ny Me Razafimanantsoa Hanitra, omaly. Voatsiahy tamin’izany ny lalan’ny Fanavaozana. Nitsidika ny minisitra Razafimanantsoa Hanitra, misahana ny fanavaozana, teny Antanina­re­nina, omaly, ny sekretera jeneralin’ny OEACP, Moussa […]