Auteur/autrice : Adnews

TSELATRA

Trano hazo miisa telo niara-nirehitra tetsy amin’ny fokontany Andranomahery, boriborintany fahatelo, omaly tolakandro. May kilan’ny afo avokoa ireo entana rehetra. Tsy fantatra mazava ny antony nahatonga ny firehetana fa efa misokatra ny fanadihadiana. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy ny lefitra faharoan’ny délégué au Maire, niaraka tamin’ny sefo fokontany Andranomahery […]

Heverina ho nisy namono: Lehilahy iray hita faty nihantona tao anaty hazo

Lehilahy iray antsoina hoe Faustin (44 taona), hita faty nihantona teo amin’ny hazo, tany amin’ny fokontany Amba­tofotsy, kaomina Maevata­nàna, ny sabotsy tamin’ny 11 ora atoandro. Teo akaikin’ny Ikopabe, somary anaty hazo maromaro ny toerana nisy azy. Olona sendra nandalo teny amin’ny manodidina no nahatsikaritra vantan-dehilahy iray efa tsy nisy aina […]

Fonjaben’ Ambalatavoahangy: Nandray ny fitantanana ny lehiben’ny fonja

Tontosa ny famindram-pitantanana teo amin’ny lehiben’ny Fonjan’Ambalatavoahangy teo aloha, Zafilahy Vonjy Ste­phanson, sy ny Éducateur spécialisé d’ adminisitration pénitentiaire vaovao, Ratasontsalama Julien Jimmy Jux. “Telo taona sy 13 andro no nitantanako ny fonjaben’ Ambalata­voahangy ary nandalo fotoan-tsarotra izany, noho ny fahasimban’ny fotodrafitrasa nateraky ny rivodoza Gezani”, hoy ny mpitantana teo […]

Notafihin’ny jiolahy : Mpivady hita faty tao an-tranony tany Manjakandriana

Mpivady hita faty nihoson-dra tao an-tranony, tany Ankazotokana, Manjakandriana, afakomaly. Nahalafo hazo izy ireo saingy efa naterina tany amin’ny havany ny vola. Notafihin’ny jiolahy anefa taorian’izay, ka izao namoy ny ainy izao. Nisy namono tao an-tranony, tany Ankazo­tokana Atsimo, kaominina Ambatomena, distrikan’i Manjakandriana, ny mpivady (80 sy 76 taona). Ny […]

Volley-ball – Mada D1 : Zandary telo hiatrika famaranana

Tontosa omaly, teny amin’ ny Kianja mitafon’Ankoron­drano, ny manasa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara taranja volley-ball, sokajy D1. Ekipa zandary telo tafita no hiatrika ny famaranana dia ny GNVB 1 sy 2 eo amin’ny lehilahy ary ny GNVB 1 eo amin’ny sokajy vehivavy. Teo amin’ny andriambavilanitra, lavon’ny GNVB 1 tamin’ny […]