Auteur/autrice : Adnews

Can 2027, U23: Hitsapa ny ekipan’i Moramanga ny Barea

«Miomana hatrany! » Hiatrika la­lao fitsapana amin’ny ekipa voafantin’i Mora­manga, ny alahady ho avy izao, any an-toerana, ny ekipam-pirenena Barea, sokajy U23. Fihaonana tafiditra amin’ny fanomanana ny fifanintsanana Can U23 2027. Marihina fa ny voalohan’ny volana novambra ho avy izao no hihaona amin’i Afrika Atsimo i Madagasikara, mandritra ny dingana faharoa. […]

SOMBIM-BAOVAO

Notontosaina omaly, tao amin’ny Kianja Maître Kira Andaboly, ny fanaovam-beloma farany an’ilay kintan’ny baolina kitra malagasy, Kira Michel. Ity kianja ity, izay mitondra ny anarany nanomboka ny taona 1997, ho fahatsiarovana ny zava-bitany tao anatin’ny fanatanjahantena. Tonga nanotrona sy naneho firaisam-po tamin’ny fianakaviany ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, […]

Rugby lalaovin’olona 7 : Hiady ny tapakila ho an’ny Lalao Olympika ny Makis

Hifantoka atsy Maurice ny sain’ny mpitia fanatanjahantena, indrindra ny mpankafy rugby, amin’izao faran’ny herinandro izao. Ekipa valo hiady izay ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny baolina lavalava lalaovin’olona 7 “Africa Men’s Sevens Series 2026”. Anisan’ireo hiatrika izany ny Makis Madagasikara izay ao amin’ny vondrona “B”. Tapakilan’ny Lalao Olympika no andrandraina amin’izany. […]

INDRAY MIJERY

Mikarakara fihaonambe nasionaly voalohany momba ny asa an-tsoroka, ny 6 hatramin’ny 8 oktobra ho avy izao izao ny BNGRC. Hiarahana amin’ny Pam/WFP sy ireo mpiara-miombon’antoka ao amin’ny Vondrona teknika momba ny asa an-tsoroka (GTAA) izay hampivondrona ireo mpisehatra nasionaly sy iraisam-pirenena izany. Tanjona ny hamolavola sori-dalana nasionaly momba ny asa […]

Fanofanana mpanao gazety: Nifarana ny Ilontsera Program

Nampahafantarina omaly ny vokatry ny tetikasa Ilon­tsera Program, izay nanolotra fanofanana ampitain-davitra ho an’ny mpanao gazety sy mpianatra ho mpanao gazety ho fanatsarana ny fahaiza-manaon’izy ireo manoloana ny fanamby sy ny olana ara-tontolo iainana. Tetikasa niarahana tamin’ny Unesco, tao anatin’ny fadaharanasa PIDC. 15 ireo mpanao gazety nanaraka fiofanana. Tanjona ny […]