Nambara tamin’ny fomba ofisialy omaly, tetsy Andrefan’Ambohijanahary,ny fijoroan’ny vondrona Merci Capsat. Fotoana manan-danja sy manan-tantara ny 11 oktobra 2025, daty nidiran’ny miaramila avy ao amin’ny Capsat tamin’ny hetsi-bahoaka nanomboka ny septambra 2025, raha ny fanambarana nataon’izy ireo. Ho fanamarihana io tsingerintaona voalohany io, hisy ny lanonana kasaina hatao eto Antananarivo […]
Auteur/autrice : Adnews
Voatifitra tetsy Namontana : Lehilahy iray namoy ny ainy, enin-dahy hafa naratra mafy
Poa-basy miisa efatra no nanaitra ny mponina etsy Madera Namontana, ny alin’ny alakamisy lasa teo. Lehilahy miisa fito no voatifitra. Namoy ny ainy ny iray tamin’ireo lasibatra, raha naratra mafy ny enina. Nandriaka ny ra tetsy amin’ny fokontany Madera Namontana, afakomaly tamin’ny 11 ora alina tany ho any. Niezaka namafa […]
Fanatsarana ny zotram-pifidianana : Mandinika ireo tolo-kevitra ny Ceni sy ny ONU
Am-perinasa tanteraka ny eo anivon’ny Ceni amin’izao fotoana izao, taorian’ny nandraisan’izy ireo ny tolo-kevitra teny Iavoloha, ho fanatsarana ny fifidianana. Handalo dingana izany avy eo rehefa voadinika. Voalaza fa efa ao anatin’ ny fandinihana ireo sosokevitra momba ny fanatsarana ny zotram-pifidianana ny eo anivon’ny Ceni, amin’izao fotoana izao. Niainga tamin’ny […]
Fadio ny kolikoly
Tsy diso toerana ny Filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël, raha nanompana ny lahateniny, omaly, tao amin’ny Akademia Miaramila Antsirabe, tamin’ ny ady hanoherana ny kolikoly. Anisan’ny sehatra iray ahazoana kiana mahakasika izany be indrindra ny mpitandro filaminana. Mifampitana amin’ny laharana alohaloha ihany ny maramara sy ny mpitsara ary […]
Kolonely Randrianirina Michaël : Manana andraikitra lehibe amin’ny fifidianana ny Foloalindahy
“Mazava ny zotra ho an’ny manamboninahitra malagasy, mila miady amin’ny kolikoly”, hoy ny Filohan’ny Fanavaozana. Nohamafisiny nandritra ny Fandresena 2026, tao amin’ny Akademia Miaramila Antsirabe koa fa manana andraikitra lehibe amin’ny fanatanterahana fifidianana ny Foloalindahy. Notanterahina tao amin’ ny Akademia Miaramila Antsirabe, omaly, ny Fandresena 2026. Navoaka tamin’ ny fomba […]





