Auteur/autrice : Adnews

Tranga El Nino – rivodoza : Mety tsy hisy hahakasika an’i Madagasikara

Nivoaka ny tatitra ofisialy mahakasika ny vinavina ny famantarana ny toetr’andro eto Madagasikara ho an’ny vanim-potoana 2026-2027. Miseho eto Madagasikara ny tranga voajanahary El Nino, miseho isaky ny roa hatramin’ ny fito taon aizy io. Miha mafana ny ranomasimbe Pasifika ka hampikorontana ny toetr’andro maneran-tany. Araka ny vinavinan’ny sampandraharahan’ny famantarana […]

Fiompiana: Dinika hanavaozana ny famatsiam-bola

Nodinihina manokana ny paikady hanavaozana ny famatsiam-bola miompana amin’ny sehatry ny fiompiana, ny 1 oktobra teo, teto Antananarivo. Tanjona ny hanafainganana ny fanodinana ny vokatra avy amin’ny fiompiana eto Mada­gasikara. Lohahevitra napetraka ny hoe: « Fiompiana maoderina, fidiram-bola maharitra ho an’ny mpiompy, loharanon-karena ho an’ny firenena ». Fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Fiompiana, tohanan’ny rafitra […]

Tsena eoropeanina : Miomana amin’ny fepetra takina ny PME sy PMI

Nitombo ny vokatra malagasy miditra eo amin’ny tsena eoropeanina. Tombony ho an’i Madagasikara ny tsy fandoavan-ketra, tsy voafetra ihany koa ny vokatra miditra any an-toerana. Natao ny alarobia teo, teto Antananarivo, ny atrikasa momba ny Fifanarahana ara-toekarena “Accord de partenariat économique ” (APE), hanomanana ireo orinasa madinika sy salantsalany (PME-PMI) […]

TSELATRA

Fatin’olona efa simba tanteraka sy tsy nisy nahafantarana azy intsony hitan’ny fokonolona tao anaty rano teny Androndrakely, omaly. Tsy fantatra mazava ny zava-nitranga, antony nitarika ny fahafatesan’io olona io. Nijery ifotony ny zava-nisy ny mpitandro filaminana. Nahitana dian’antsy ny fatin’ny tovolahy iray tao Antanifotsy, kaominina Sambava, omaly maraina. Niasa tao […]

Bemasoandro Itaosy: Ankizilahy tratra nanolan-jaza

Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka ny ankizilahy 16 taona nanolan-jaza 11 taona teny amin’ny fokontany Ambo­hi­dahy, kaominina Bemaso­andro Itaosy, omaly. Mpaka vilona teny an-toerana ity ankizilahy tratra nanao fihetsika mamoafady ity. Notilitiliany ilay zazavavy vao 11 taona monja izay mponina ao anatin’ny kaominina voakasika. Nampiresahiny sy norebirebeny ka nentiny tamin’ny toerana izay […]