Auteur/autrice : Adnews

Ravelonahina Andrianjaka Hasina : Nahazo ny mari-pahaizana Doctorat en science cognitive et application

Natolotra omaly, teny Ankatso, ny valin’ny fikarohana narahina fanohanan-kevitra nataon’ny mpampianatra mpikaroka eny amin’ny Sekoly ambony Inscae, Ravelonahina Andrianjaka Hasina. Lohahevitra tamin’izany ny «Modèle d’apprentissage avancé sur des données sociales à Madagas­car». Fampianarana ny ordinatera hampiana-tena avy amin’ ny antontanisa efa misy ahafahany maminany na manome refy amin’ny zavatra hitranga […]

VAOVAO TAMBATRA

Miverina tsikelikely ny famatsian-dranon’ny Jirama eto an-dRenivohitra. Nisitraka izany ny eny Nanisana, Ankadindramamy, Manjakaray hatrany Itaosy. Mbola ho avy koa ny an’ny faritra hafa, ka hisy ny famokarana rano 100m3 isan’ora fanampiny, ankoatra ny efa nosokafana ny zoma 16 mey teo, teny Mandroseza. Mitentina 13,97 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola avy […]

Manakara : Manakaiky ny mpandraharaha ny EDBM

Fanamby apetraky ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM) ny hanatsara ny tontolon’ny fandraharahana sy ny fampandrosoana ny fampiasam-bola. Dingana lehibe hanakaikezana ny tolotra omeny ho an’ireo mpampisa vola sy ireo mpandraharaha ny fanokafana ny masoivohony ao Manakara. Tafiditra anatin’ny faha-20 taonan’ny EDBM izany. Nasongadin’ny solombavabahoaka voafidy tao an-toerana, nandritra […]

Banky iraisam-pirenena : Hanohana ny sehatra tsy miankina

Hanome lanja ny fahaleovantena ara-toekarena ho an’ny vehivavy ny tetikasa Eager. Manohana izany ny Banky iraisam-pirenena, iaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Indostria. Vonona hanolo-tanana ny minisiteran’ny Indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina (MIDSP) ny Banky iraisam-pirenena, ho amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Nivoitra izany nandritra ny dinika nataon’ny minisitra Raharimanjato Ny […]