Auteur/autrice : Adnews

Toamasina: Mahatratra 64% ny fahavitan’ny Campus Universitaire

Tonga nitsidika ny Cam­pus an’ny oniversiten’i Bari­kadimy, ao Toamasina, ny de­legasionin’ny Banky iraisam- pirenena, ny faran’ny volana septambra teo. Notarihan’i Fily Sissouko, talen’ny diviziona misahana an’i Mozambika, Madagasikara, Maorisy, Kaomoro ary Seychelles. Ny filohan’ny oniversiten’i Toama­sina, Diny Razanakolona, kosa no nitarika ny delegasionin’ny olom-panjakana teto Toamasina. Miisa 123 ireo fotodrafitrasa […]

Ady amin’ny kolikoly : Tanora 60 nampitana ny foto-pisainana manaja ny fahitsiana

Hifarana anio, eto Antananarivo, ny zaikaben’ny tanora ho an’ny fahitsiana. Hanentana ny tanora amin’ny maha mpisehatra afaka mitondra fanovana azy ireo hanamafy io kolontsaina io no tanjon’ny CSI, mpikarakara. “Fitaovana mampandroso ny ady amin’ny kolikoly ny fananana ny foto-pisainana manaja ny fahitsiana sy ny marina. Ha­metraka tanora manerana ny Nosy […]

Karaman’i Corentin Martins : Hanefa ny trosa tsy voaloa ny fanjakana

Nitondra fanazavana teny Ambohijatovo, omaly, ny eo anivon’ny minisiteran’ny Tano­ra sy ny fanatanjahantena (MJS) mahakasika an’ireny vaovao miely mahakasika ny karaman’ny mpanazatra Barea, Corentin Martins ireny. Nilaza izy ireo fa nisy tokoa ny fahatarana ny fandoavana ny karaman’ity mpanazatra ity, saingy tsy feno ilay vaovao miely. Nambaran’ny sekretera jeneralin’ny MJS, […]

Fodiamandrin’i Fabien Jamba: Andrasana eny amin’ny ANS ny razana

Nodimandry ny alarobia alina i Tovonkery Jean Fabien, na i Fabien Jamba. Mpihira, mpanafana lanonana no nahafantarana azy. Malagasy mpanakanto maro no efa niara-ni­asa taminy. Hira nahafantarana azy: “Ho faty”, “Annick”, sns. Efa narary teny amin’ny klinika Saint François d’Assise Anka­di­fotsy nandritra ny andro vitsy izy. Tojo fahalemena tampoka nandritra […]

Njakatiana : « Te haneho seho goavana, amina toerana goavana… »

Andrasana fatratra izay ho fitrangan’ny sehon’i Njakatiana ao amin’ny Coliseum. Anisan’ireo mpanakanto mametraka fanamby ambony foana koa mantsy izy. «Ho antsika mianakavy jiaby». Tsy lohatenin’ny fampisehoana akory, fa lohahevitra ho­voizina mandritra ilay fampisehoana hotontosain’i Njakatiana, ny alahady 4 oktobra izao, etsy amin’ny Coli­seum Antsonjom­be io. «Ny tarika Njakatiana te haneho […]